Josto
(Jôstô) [avy amin’ny teny lat., ary midika hoe “Tia Rariny; Mahitsy; Marina”].
1. Anaram-bosotra nomena an’i Josefa Barsabasy. Rehefa natao ny antsapaka mba hahalalana hoe iza tamin’i Josto sy Matia no ho apostoly solon’i Jodasy Iskariota, dia i Matia no voafidy fa tsy i Josto. Azo inoana anefa fa matotra io mpianatr’i Jesosy Kristy io, matoa natolotra hofidina ho apostoly.—As 1:23-26.
2. Korintianina mpino izay nanan-trano nifanila tamin’ny synagoga. Notoherin’ny Jiosy i Paoly ka “niala” tao amin’ny synagoga ary “nankao” an-tranon’i Titosy Josto, izany hoe tany izy no nanohy ny fitoriana, fa mbola tany amin’i Akoila sy Prisila ihany izy no nipetraka.—As 18:1-7.
3. Jiosy mpiara-miasa tamin’ny apostoly Paoly. Rehefa nigadra voalohany tany Roma i Paoly, dia anisan’ireo nampahery azy i Josto, izay nantsoina koa hoe Jesosy. Nanao mampamangy ho an’ny Kolosianina koa ity Josto ity.—Kl 4:10, 11.