Jotama
(Jôtàma) [I Jehovah dia Tonga Lafatra; na I Jehovah Anie Hamita].
1. Taranak’i Joda antsoina hoe “zanakalahin’i” Jeday.—1Ta 2:47.
2. Faralahin’i Gideona (Jerobala) Mpitsara tao Ofra. (Mpts 8:35; 9:5) Rehefa maty i Gideona, dia novonoin’i Abimeleka (zanak’i Gideona tamin’ny mpanompovaviny) ny rahalahiny rehetra hafa reny. I Jotama no sisa velona satria niafina izy. Nampanjaka an’i Abimeleka avy eo ny mponin’i Sekema. Nitsangana teo an-tampon’ny Tendrombohitra Gerizima àry i Jotama, ary nanao fanoharana momba ny hazo ka nanozona an’i Abimeleka sy ny mponin’i Sekema. Nandositra nankany Bera izy avy eo.—Mpts 9:6-21, 57.
3. Zanakalahin’i Ozia (Azaria) mpanjakan’ny Joda tamin’i Jerosa zanakavavin’i Zadoka. (2Mp 15:32, 33; 1Ta 3:12; 2Ta 27:1; Mt 1:9) I Jotama no nitondra teo amin’ny toeran-drainy, rehefa lasa boka i Ozia satria tezitra tamin’ireo mpisorona niteny mafy azy, tamin’izy niditra tao an-tempoly mba handoro emboka manitra. Maty i Ozia tamin’i Jotama 25 taona, ka toa tamin’izay vao nanomboka ireo 16 taona nanjakany (777-762 T.K.).—2Mp 15:5, 7, 32; 2Ta 26:18-21, 23; 27:8.
Mpaminany tamin’ny andron’i Jotama i Isaia sy Hosea ary Mika. (Is 1:1; Ho 1:1; Mi 1:1) Nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah i Jotama, na dia nivavaka teny amin’ny toerana avo aza ny vahoakany.—2Mp 15:35; 2Ta 27:2, 6.
Nanao fanorenana maro teo amin’ny mandan’i Ofela i Jotama. Nanorina ny vavahady ambony tamin’ny tempoly, sy tanàna tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda, ary toerana voaro mafy sy tilikambo tany an’ala koa izy.—2Ta 27:3-7.
Tsy nilamina anefa ny fanjakany, satria niady tamin’ny Amonita izy. Farany, dia resiny ihany ireo ka nanome azy isan-taona talenta volafotsy 100 (660 600 dolara), varimbazaha 10 000 kora (2 200 000 L), ary orza 10 000 kora, nandritra ny telo taona. (2Ta 27:5) Nanomboka namely an’i Joda koa ny tafik’i Rezina mpanjakan’i Syria sy Peka mpanjakan’ny Israely.—2Mp 15:37.
Maty i Jotama ka nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida. Nandimby azy i Ahaza zanany, izay efa-taona teo ho eo tamin’i Jotama lasa mpanjakan’ny Joda.—2Ta 27:7–28:1.
Nitondra 16 taona monja i Jotama. Ny taona faha-20 taorian’ny nanaovana azy ho mpanjaka na ny taona fahefatra nitondran’i Ahaza àry, ilay ‘taona faharoapolo nanjakany’ resahin’ny 2 Mpanjaka 15:30. Mety ho nifidy ny tsy hiresaka an’i Ahaza mpandimby an’i Jotama aloha ilay mpanoratra teo, satria mbola hiresaka an’i Jotama Mpanjaka izy.