Jotba
(Jôtbà) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mahita soa; mahafa-po; manao soa”].
Tanàna niavian’i Haroza, raiben’i Amona mpanjakan’ny Joda. Raiben’i Amona avy amin’ny reniny i Haroza. (2Mp 21:19) Maro no milaza an’i Jotba ho i Kirbet Jefat (Horvat Yodefat), tokony ho 15 km any avaratr’i Nazareta.