Jotbata
(Jôtbàta) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mahita soa; mahafa-po; manao soa”].
Toerana iray azon-drano tsara nitobian’ny Israelita tany an-tany efitra. (No 33:33, 34; De 10:7) Tsy fantatra hoe taiza no nisy azy io. Misy anefa mihevitra fa mety ho i ʽAin Tabah (ʽEn Yotvata), any amin’ny deboka misy heniheny any amin’ny 40 km eo ho eo any avaratr’i Eziona-gebera, i Jotbata.