Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jozadaka

Jozadaka

(Jôzadàka) [mety hidika hoe I Jehovah dia Manambara fa Marina].

Rain’ilay mpisoronabe atao hoe Jesoa (na Josoa). (Ezr 3:2; Hg 1:12; Za 6:11) Natao sesitany i Jozadaka rehefa novonoin’i Nebokadnezara ny rainy, izany hoe i Seraia lehiben’ny mpisorona. Tsy lany tamingana àry ny mpisoronabe satria mbola teo i Jozadaka.​—1Ta 6:14, 15; 2Mp 25:18-21; Ne 12:26.