Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kôbrà

Kôbrà

[Heb.: peten].

Bibilava misy poizina tena mahafaty any Azia sy Afrika. Ny kôbrà ejipsianina (Naja haje) fampiasan’ny mpibaiko bibilava fahiny sy ankehitriny, ilay kôbrà resahin’ny Baiboly. Abontsiny ny tendany rehefa tezitra izy, toy ny ataon’ny kôbrà any Inde sy ny kôbrà mpanjaka any Azia.

Miainga kely ary miantoraka mankany aloha ny kôbrà rehefa hamely, sady misioka mafy. Ketohiny mafy amin’ny valanoranony izay voakaikiny, ary ahetsiketsiny toy ny mitsako ny vavany mba ho betsaka ny poizina miditra ao amin’ilay ratra. Tena mahafaty koa ilay poizina, ka izany no mahatonga ny kôbrà ho anisan’ny biby mampidi-doza indrindra.

Fantatry ny Israelita tsara ny kôbrà satria efa hitany tany Ejipta, sy tamin’izy ireo nirenireny tany an-tany efitra. Niresaka tamin’izy ireo momba ny “poizina mitera-doza avy amin’ny kôbrà” i Mosesy tany an-tany efitra. (De 32:33) “Mitera-doza” tokoa ny poizin’ny kôbrà satria toy izao ny vokany, hoy ny Dr. Findlay Russell: Mavesatra ny hodi-maso, avy eo mety ho sempotra ilay olona, tsy afa-mihetsika ny masony sy lelany ary tendany, mety hifanintona izy ary mety hijanona tampoka ny fony.​—Voapoizin’ny Bibilava, 1980, p. 362.

Misy vokany amin’ny rafi-pitatitra ilay poizina, ka tsy miasa intsony ny taovam-pisefoana. Ho faty àry ilay voakaikitra, raha tsy mahazo ody poizina haingana. Niresaka momba ny “poizin’ny kôbrà” koa i Zofara.​—Jb 20:14, 16.

Niresaka kôbrà sy liona an’ohatra ny mpanao salamo, rehefa nilaza toy izao momba izay matoky an’i Jehovah: “Hanitsakitsaka liona tanora sy kôbrà ianao, ary hanosihosy liona tanora masiaka sy bibilava ngezabe.” (Sl 91:13) Naminany i Isaia fa hiova ny toe-piainan’ny vahoakan’i Jehovah tafody ao amin’ny taniny. Hoy izy: “Hilalao eo amin’ny lavaky ny kôbrà ny zaza minono, ary ny zaza nisara-nono dia hametraka ny tanany eo amin’ny lavaky ny bibilava misy poizina.”​—Is 11:8, 11, 12.

Tena afaka ‘mihaino ny feon’ny mpibaiko azy’ ve ny kôbrà?

Milaza an-kolaka ny Baiboly fa manan-tsofina ny kôbrà ary afaka ‘mihaino ny feon’ny mpibaiko azy.’ (Sl 58:4, 5) Tsy misy lava-tsofina anefa ireny biby mandady ireny sady lazain’ny mpandinika zavaboary hoe tsy mahare feo, ka heverin’ny maro ho marenina. Diso anefa izany. Hoy mantsy ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (1987, Boky Faha-27, p. 159): “Tsy marina io tombantombana io. Mahare onjam-peo sasany ihany ny bibilava, ary misy fomba hafa mahasolo ny ampongantsofina ahafahany mandre an’ilay izy. ... Marina fa tsy mahare feo antonona sy iva ny sofin’ny bibilava maro raha oharina amin’ny an’ny biby hafa, nefa tsy hoe tsy mahare mihitsy. Misy bibilava mahare tsara toy ny ankamaroan’ny androngo manana lava-tsofina sy sofina antenatenany mahazatra ihany.”