Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kôkômbra

Kôkômbra

[Heb.: kish·shoʼah].

Ankoatra ny pasteky, poarô, tongolobe, ary tongolo lay dia nanembona ny kôkômbra tany Ejipta ny Israelita sy ny olona samihafa firenena ka nimenomenona. (No 11:5) Mety ho karazana voatango (Cucumis melo) ilay izy, hoy ny manam-pahaizana sasany, satria kôkômbra ve, hono, dia hampanembona. Kôkômbra anefa ilay izy, rehefa jerena ny fiteny iray fiaviana amin’ny teny hebreo sy ny Baiboly tranainy.

Mandady lava be ny tahon’ny kôkômbra, ary mavo na somary fotsy ny voninkazony. Maitso na manga maitso sy malama ny hoditra kôkômbra Cucumis sativus, ary fotsy somary maitso ny nofony be voany. Be mpamboly azy any Ejipta sy Palestina satria azon-drano tsara ny moron’i Nil ary misy ranonando foana i Palestina, sady samy ampy masoandro.

Nasiana trano rantsankazo ho an’ny mpiambina teny amin’ny saha na tanimboaloboka, sao nisy mpangalatra na biby mpiremby nanimba voly. Tsy dia mafy ilay trano, raha hoatran’ny ankehitriny ihany, satria tsato-kazo efatra sy tsivalan-kazo no natambatra, sampan-kazo ny tafo sy rindrina (indraindray natao mifampidipiditra ny rantsana sy sampana kelikely), ary tahon-kazo malefaka no namatorana an’ireo tsato-kazo sy tsivalan-kazo. Tsy misy mpiambina intsony rehefa vita ny fotoam-pijinjana, ary mety hiletsy na hirodana ilay trano rehefa azon’ny rivotra sy orana amin’ny fararano any Palestina. “Nilaozana toy ny trano rantsankazo eny an-tanimboaloboka, sy toy ny trano rantsankazo fiambenana eny amin’ny saha fambolena kôkômbra” àry i Ziona lasa aolo.​—Is 1:8.

Nasiana andry, tsato-kazo, na zavatra hafa fampitahorana biby koa teny an-tsaha. Toy ny “kalo” moana sy tsy mihetsika natao “fampitahoram-borona eny amin’ny sahan-kôkômbra” ny sampin’ny firenena.​—Je 10:5.