Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kabola

Kabola

(Kabòla).

1. Tanàna anjara lovan’ny fokon’i Asera. (Js 19:24, 27) Kaboul no anarany ankehitriny, tokotokony ho 13 km any atsinanana atsimoatsinanan’i Ako.

2. Faritra nisy an’ireo tanàna 20 tany Galilia nomen’i Solomona an’i Hirama mpanjakan’i Tyro, ho fankasitrahana noho ny nanampiany azy tamin’ny asa fanorenana. ‘Tsy tian’i Hirama anefa ireny’, ka hoy izy tamin’i Solomona: “Mba inona koa ireto tanàna nomenao ahy ireto, ry rahalahiko?” Taorian’izay, dia nantsoina hoe “Tany Kabola” izy ireny.​—1Mp 9:10-13.

Nilaza i Josèphe fa “tsy lavitra an’i Tyro” ireo tanàna ireo. (Rakitry ny Ela Jiosy, VIII, 142 [v, 3]) Nantsoin’i Isaia (9:1) hoe “Galilian’ireo hafa firenena” i Galilia, ka misy manam-pahaizana mihevitra fa mety ho mpanompo sampy no nonina tao amin’ireo tanàna 20 ireo. Azo inoana fa tsy ho nomen’i Solomona ho an’ny mpanjaka hafa firenena ireo tanàna ireo raha Israelita ny mponina tao. Mety ho tany ivelan’ny faritra nonenan’ny Israelita koa ireo, na dia mbola anisan’ny faritra nampanantenain’Andriamanitra ho an’ny Israely aza, sady efa azon’i Davida rain’i Solomona. (Ek 23:31; 2Sa 8:1-15) Nisy nanakiana an’io nataon’i Solomona io, noho ilay lalàn’Andriamanitra ao amin’ny Levitikosy 25:23, 24. Raha tsy nihatra afa-tsy tamin’ny faritra nonenan’ny vahoaka vita fifanekena tamin’Andriamanitra ihany io lalàna io, dia mety ny nataon’i Solomona. Raha tsy izany kosa, dia porofo fanampiny izany fa tsy tena nankatò ny didin’Andriamanitra i Solomona, toy ny tamin’izy nampitombo ny isan’ny soavaliny sy ny vadiny hafa firenena ihany.​—Ampitahao ny De 17:16, 17 sy ny 1Mp 4:26; 11:1-8.

Tsy lazain’ilay fitantarana ny antony tsy nitiavan’i Hirama an’ireo tanàna ireo. Misy milaza hoe tsy nokarakarain’ireo mpanompo sampy nonina tany izy ireny. Misy kosa milaza fa ny toerana nisy azy ireny no ratsy. Na ahoana na ahoana, dia izany no niantsoana azy ireny hoe “Tany Kabola.” Mbola iadian-kevitra ny dikan’ny teny hoe Kabola, resahin’ilay andininy. Nilaza i Josèphe fa “amin’ny teny fenisianina, dia midika hoe ‘tsy mahafinaritra’” ny hoe Kabola. Tsy mahita porofo manamarina an’izany anefa ny manam-pahaizana maoderina. Maro ny mpanao diksionera milaza fa misy tsilaolaon-teny eo: Mitovitovy fanonona mantsy ny hoe Kabola sy ny teny hebreo hoe keval izay midika hoe “tsy misy ilana azy.”

Miresaka momba ny “tanàna nomen’i Hirama” an’i Solomona ny 2 Tantara 8:2, izay andininy mitantara koa ny zava-nitranga taorian’ny nahavitan’i Solomona ny asa fanorenana nataony. Naoriny indray ireny tanàna ireny mba ho an’ny Israelita. Tsy fantatra raha ireo tanàna nomeny an’i Hirama ihany ireo na tsia. Raha izy ihany mantsy ireo, dia midika izany fa nolavin’i Hirama ilay fanomezana. Misy koa mihevitra hoe mety ho nifanakalo tanàna izy ireo, fa tsy nilaza izany fotsiny ny 1 Mpanjaka toko faha-9.