Kabona
(Kabòna).
Anisan’ny tanànan’i Joda tany Sefela. (Js 15:40) “Kabra” no ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo fa tsy Kabona, ka misy milaza azy io ho i Kirbet Hibra, any amin’ny 5 km any atsinanana atsimoatsinanan’i Lakisy. Rehefa dinihina anefa ilay anarana hebreo dia misy mihevitra azy io ho i Al Qubeiba (Horvat Kefar Lakish), 5 km any atsimoandrefan’i Beit Jibrin (Bet Govrin).