Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kabzela

Kabzela

(Kabzèla) [Nanangona Andriamanitra].

Tanàna tany amin’ny faritra atsimon’i Joda. (Js 15:21) Misy mihevitra azy io ho i Kirbet Hora (Horvat Hor), tokony ho 10 km any atsinanana avaratratsinanan’i Beri-sheba. Rehefa jerena ny teny hebreo ao amin’ny 2 Samoela 23:20 sy 1 Tantara 11:22 dia maromaro no mety ho fanazavana ny hoe Kabzela: 1) Tanàna nonenan’i Benaia mpiady kalazalahy, na 2) tanàna niavian’ny iray tamin’ireo razambeny na toerana nanaovan’izy io asa lehibe, na 3) toerana nanaovan’i Benaia zavatra maro. (Ampit. Prot.; DIEM; Kat.; Le; TV; RS.) Soratana hoe “Jekabzela” koa ny hoe Kabzela, ao amin’ny Nehemia 11:25, izay mitanisa ireo toerana nonenana indray tany Joda, taorian’ny sesitany.