Kadmiela
(Kadmièla) [Miatrika Andriamanitra; Mankeo Aloha Andriamanitra].
Levita niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela. Nanaraka azy koa ny fianakaviany. (Ezr 2:1, 2, 40; Ne 7:6, 7, 43; 12:1, 8, 24) Anisan’ireo nanara-maso ny asa i Kadmiela sy ny zanany, rehefa naorina indray ny tempoly.—Ezr 3:9.
Tsy mety ho olona iray ihany io Kadmiela avy tany an-tsesitany tany Babylona io (537 T.K.) sy ilay Kadmiela tamin’ny andron’i Nehemia (455 T.K.). Lava loatra mantsy ilay elanelam-potoana. Azo antoka fa tsy i Kadmiela mivantana, fa solontenan’ny ankohonany, no anisan’ireo niaiky heloka tamin’i Jehovah tamin’ny andron’i Nehemia, ary avy eo nanisy tombo-kase ny “fianianana.”—Ne 9:4, 5, 38; 10:1, 9, 10.