Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kadmonita

Kadmonita

(Kadmônita) [avy amin’ny fototeny midika hoe “atsinanana”].

Foko iray. Nampanantena i Jehovah fa homeny ny taranak’i Abrama ny tanin’izy io sy ny an’ny firenen-kafa. (Ge 15:18-21) Mpiompy na mpifindrafindra monina angamba izy ireo, toa an’ireo Kenita sy Kenizita miara-voatonona aminy. (Ge 15:19) Tsy fantatra marina hoe taiza no nisy azy ireo, na dia misy aza milaza fa nonina tany an-tany efitr’i Syria izy ireo, teo anelanelan’i Palestina sy Syria ary ny Reniranon’i Eofrata.

Mitovy ny fanoratana ny anaran’ilay foko (kadmôhni) sy ny mpamari-toetra hoe kadmôhni (atsinanana, Ezk 47:18) amin’ny teny hebreo. Misy àry milaza fa “Tatsinanana” no dikan’ilay anarana. (Mpts 8:10) Mety ho anarana foko anefa izy io, raha jerena ny nampiasana an’ilay teny hebreo ao amin’ny Genesisy 15:19.