Kaftora
(Kaftôra), Kaftorima (Kaftôrìma).
Taranak’i Hama avy tamin’i Mizraima ny Kaftorima. (Ge 10:6, 13, 14; 1Ta 1:12) Nalain’izy ireo ny tanin’ny Avita teo amin’ny faritra atsimoandrefan’i Kanana, talohan’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta (1513 T.K.). (De 2:23) Ilazana an’ilay “nosy” nipetrahan’ny Filistinina talohan’ny nifindrany tany Kanana ny hoe Kaftora (na Kreta, TV), ao amin’ny andininy hafa.—Je 47:4; Am 9:7.
Niadian-kevitra be ny hoe taiza ho aiza i Kaftora: Ny faritry ny Vinany any Ejipta, sa ny morontsiraka atsimoatsinanan’i Azia Minora (anisan’izany i Kilikia), sa i Kapadokia, sa i Kreta? Milaza ny ankamaroan’ny manam-pahaizana ankehitriny fa ny nosy Kreta, eo atsimoatsinanan’i Gresy, izy io. Misy koa milaza fa anisan’i Kaftora ireo nosy sy tany amoron-tsiraka eny akaikin’i Kreta. Antsoina hoe Kaptara i Kaftora ao amin’ny soratra asyrianina-babylonianina, ary hoe Kfty(v) ao amin’ny soratra ejipsianina. Voaporofo fa nanao raharaham-barotra tamin’ny Kretanina efa hatry ny ela ny Ejipsianina (taranak’i Mizraima koa), angamba efa hatramin’ny andron’i Abrahama.
Mihevitra ny manam-pahaizana maro fa Filistinina ireo “Kaftorima” resahin’ny Deoteronomia 2:23. Toa avy tamin’ny Kaslohima (anisan’ny taranak’i Mizraima) anefa ny Filistinina. Nipetraka tao amin’ny faritanin’i Kaftora ny Filistinina, talohan’ny nifindrany tany Kanana. Mety ho izany fotsiny angamba no antony niantsoana azy ireo hoe Kaftorima, fa tsy noho ny firazanany loatra. Mitovitovy amin’izany koa ny antony niantsoana an’i Jakoba Hebreo hoe Syrianina (na Aramianina). (De 26:5) Mety ho tsy Filistinina koa anefa ireo resahin’ny Deoteronomia 2:23, fa Kaftorima nifindra monina tany Kanana.