Kaiafa
(Kaiàfa).
I Josefa Kaiafa no mpisoronabe, nandritra ny fanompoan’i Jesosy tetỳ an-tany. (Lk 3:2) Vinanton’i Anasy Mpisoronabe (Jn 18:13; jereo ANASY) izy, ary i Valerius Gratus, ilay governora talohan’i Pontio Pilato, no nanendry azy. Tamin’ny taona 18 tany ho any izany no nitranga, na dia misy milaza aza hoe tatỳ aoriana be, tamin’ny taona 26. Mpisoronabe foana izy hatramin’ny taona 36, ary izy no naharitra ela indrindra, raha oharina tamin’ireo mpisoronabe teo aloha keliny. Tena nahay nifandray sy niara-niasa tamin’ny fitondrana romanina mantsy izy. Voalaza fa mpinamana be izy sy Pilato. Sadoseo i Kaiafa.—As 5:17.
Anisan’ny atidoha nikotrika ny famonoana an’i Jesosy i Kaiafa, ary naminany (na dia tsy fanahy iniany aza) fa ho faty ho an’ilay firenena i Jesosy tsy ho ela. Nanao izay ho afany àry i Kaiafa mba hahatanteraka an’izany. (Jn 11:49-53; 18:12-14) Rehefa notsaraina teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy i Jesosy, dia nandrovitra ny akanjony izy sady niteny hoe: “Nanevateva an’Andriamanitra izy!” (Mt 26:65) Rehefa teo anatrehan’i Pilato i Jesosy, dia azo antoka fa teo koa i Kaiafa. Anisan’ireo niantsoantso izy hoe: “Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy! Fantsiho!” (Jn 19:6, 11) Nangataka koa izy tamin’izay hoe i Barabasy no hafahana fa tsy i Jesosy. (Mt 27:20, 21; Mr 15:11) Anisan’ireo niantsoantso izy hoe: “Tsy manana mpanjaka ankoatra an’i Kaisara izahay.” (Jn 19:15) Tsy nekeny koa ilay soratra teo ambonin’ny lohan’i Jesosy hoe “Mpanjakan’ny Jiosy” (Jn 19:21).
Tsy nifarana teo amin’ny fahafatesan’i Jesosy anefa ny fanenjehan’i Kaiafa, fa izy mihitsy no lohan’ny mpanenjika an’ilay fiangonana kristianina vao niforona. Notaritarihina teo anatrehan’io mpitondra fivavahana io ireo apostoly. Norarana mafy izy ireo mba tsy hitory intsony, ary norahonana sy nokapohina mihitsy aza. Tsy nahasakana azy ireo anefa izany. ‘Tsy nitsahatra nitory izy ireo isan’andro, na tao amin’ny tempoly na isan-trano’, na dia noraran’i Kaiafa aza. (As 4:5-7; 5:17, 18, 21, 27, 28, 40, 42) Efa meloka ho nandatsaka ny ran’i Jesosy i Kaiafa, nefa tsy ela dia meloka ho nandatsaka ny ran’ilay lehilahy marina atao Stefana koa. Tsy vitan’izay fa nanome taratasy fahazoan-dalana ho an’i Saoly avy any Tarsosy izy, mba hanenjehana sy hamonoana ny Kristianina hatrany Damaskosy. (As 7:1, 54-60; 9:1, 2) Naongan’ilay manam-pahefana romanina atao hoe Vitellius anefa i Kaiafa, taoriana kelin’izay.