Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kaina

Kaina

[1: Zavatra Nateraka]

1. Olona voalohany nateraka teto an-tany, zanak’i Adama sy Eva mpivady voalohany.

Hoy i Eva rehefa teraka i Kaina: “Tera-dahy [ara-bakiteny: Namokatra lahy] aho noho ny fanampian’i Jehovah.” (Ge 4:1) Nihevitra angamba izy hoe izy ilay vehivavy nambara fa hiteraka an’ilay taranaka hampiasaina hitondra fanafahana. (Ge 3:15) Diso hevitra tanteraka izy, raha izany. Azony natao ihany anefa ny nilaza fa “noho ny fanampian’i Jehovah” no niterahany an’i Kaina, satria mbola navelan’i Jehovah hiteraka izy sy Adama na dia mpanota aza. Rehefa namoaka didim-pitsarana momba an’i Eva koa Andriamanitra, dia nilaza fa “hiteraka” izy, saingy hanaintaina.​—Ge 3:16.

Lasa mpiasa tany i Kaina. Nitondra fanatitra ho an’i Jehovah izy sy Abela zandriny “rehefa afaka elaela”, satria te hahazo sitraka tamin’Andriamanitra. “Ny vokatry ny tany” no nakan’i Kaina hatao fanatitra, nefa tsy nankasitrahan’Andriamanitra ilay izy. (Ge 4:2-5; ampit. No 16:15; Am 5:22.) Marina fa tsy nisy ra ny fanatitra nataon’i Kaina, nefa toa tsy izay no antony tsy nankasitrahana an’ilay izy, satria neken’ny Lalàna ny fanatitra biby sy fanatitra varimbazaha. Misy milaza fa tsy voaresaka hoe ny vokatra tsara indrindra no nataon’i Kaina fanatitra, nefa nomarihina kosa hoe “ny voalohan-teraky ny andian’ondriny, mbamin’ny tavin’ireny” no nataon’i Abela fanatitra. Tsy hoe ratsy anefa ny vokatra natolotr’i Kaina. Tsy izany no antony tsy nankasitrahan’Andriamanitra an’ilay izy. Milaza ny Hebreo 11:4 fa tsy noho ny finoana no nanaovan’i Kaina fanatitra, fa ny an’i Abela kosa vokatry ny finoany ka nankasitrahan’Andriamanitra.

Tsy resahin’ny Baiboly ny fomba nampisehoan’Andriamanitra hoe nankasitrahany ny fanatitra iray fa tsy nankasitrahany kosa ny iray. Azo inoana anefa fa tsy niafina tamin’i Kaina sy Abela izany. Afaka mamantatra ny ao am-po i Jehovah (1Sa 16:7; Sl 139:1-6), ka fantany fa ratsy ny tao am-pon’i Kaina. Niharihary izany toe-pony izany rehefa nolavin’Andriamanitra ny sorona nataony. Nanomboka nisongadina teo amin’ny toetran’i Kaina “ny asan’ny nofo”, dia ny “fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana.” (Ga 5:19, 20) Sosotra i Kaina, nefa nilaza taminy i Jehovah fa hisandratra izy raha miova ka manao ny tsara. Azony natao ny nanetry tena ka nanahaka an’ilay rahalahiny nankasitrahan’Andriamanitra. Nanoro hevitra azy Andriamanitra mba hifehy ny fanirian-dratsy izay efa namitsaka teo am-baravarana ka nitady hangeja azy. Tsy niraharaha izany torohevitra izany anefa i Kaina. (Ge 4:6, 7; ampit. Jk 1:14, 15.) Izany tsy fanajana izany no atao hoe “lalan’i Kaina.”​—Jd 11.

Hoy i Kaina tamin’ny rahalahiny, tatỳ aoriana: “Andao isika ho any an-tsaha.” (Ge 4:8) (Tsy hita ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta ireo teny ireo. Ny sora-tanana hebreo maromaro kosa ahitana taratra hoe nisy teny nesorina teo. Samy misy an’ireo tenin’i Kaina tamin’i Abela ireo daholo anefa ny Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina, ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ny Peshitta syriàka, ary ireo soratra latinina tranainy.) Novelezin’i Kaina i Abela tany an-tsaha ka maty. I Kaina àry no lasa mpamono olona voalohany. Azo lazaina fa “avy tamin’ilay ratsy” izy, izany hoe avy tamin’ilay rain’ny mpamono olona sy rain’ny lainga. (1Jn 3:12; Jn 8:44) Nanontany azy i Jehovah hoe aiza i Abela. Vao mainka nampiharihary ny tena tao am-pony ny valin-teny an’avona nomeny an’i Jehovah. Tsy ahitana fibebahana na nenina mihitsy ny teniny fa nandainga kosa izy hoe: “Tsy fantatro. Fa angaha izaho mpiambina ny rahalahiko?”​—Ge 4:9.

Noroahin’Andriamanitra tsy ho ao amin’ilay tany i Kaina ho fanamelohana azy. Azo antoka fa midika izany hoe tsy nahazo nonina teny akaikin’ny zaridainan’i Edena izy. Efa voaozona ny tany nefa vao mainka ho henjana ny ozona hihatra amin’ny tany hovoleny ka tsy hamokatra. Nitaraina i Kaina hoe mafy loatra ny saziny. Nanahy koa izy sao hisy hamaly faty azy noho izy namono an’i Abela. Mbola tsy tena nibebaka anefa izy. “Nanao famantarana ho an’i Kaina” i Jehovah, mba tsy hisy hamono azy. Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe natao teo amin’ny vatan’i Kaina ilay famantarana na tsia. Azo inoana fa ilay didy hentitra nomen’Andriamanitra ihany ilay “famantarana.” Fantatry ny olona izy io, ary nankatoaviny.​—Ge 4:10-15; ampit. and. 24, izay iresahan’i Lameka momba an’io didy io.

Voaroaka i Kaina ka lasa nankany amin’ilay “tany atao hoe Fandosirana, tany atsinanan’i Edena”, ary nentiny koa ny vadiny. Zanak’i Adama sy Eva na zafikeliny io vehivavy io, ary tsy voalaza ny anarany. (Ge 4:16, 17; ampitahao amin’ny 5:4; sy amin’izay nataon’i Abrahama ela be tatỳ aoriana, tamin’izy nanambady an’i Saraha, izay anabaviny iray ray taminy, Ge 20:12.) “Nanorina tanàna” i Kaina, taorian’ny niterahany an’i Enoka. Nampitondrainy ny anaran’io zanany io ilay tanàna. Mety ho tanàna kely izy io raha amin’ny olona ankehitriny, saingy voaro mafy fotsiny. Tsy lazain’ny Baiboly hoe oviana izy io no vita. Tanisaina ao amin’ny Baiboly ny sasany amin’ny taranak’i Kaina. Niavaka ny sasany tamin’izy ireny, satria nisy mpiompy mpifindrafindra monina, mpitendry zavamaneno, ary mpanefy fitaovana metaly. Nisy nanana vady maro sy tia herisetra koa ny taranak’i Kaina. (Ge 4:17-24) Ringana tamin’ilay Safodrano naneran-tany tamin’ny andron’i Noa ny taranak’i Kaina.

[2, 3: avy amin’ny fototeny midika hoe “mamokatra; mahazo; mividy”]

2. Anarana nilazan’i Balama ny fokon’ny Kenita, tao amin’ny oha-teny iray nataony. (No 24:22) Natao hoe “Kenita” izy io, ao amin’ny Mpitsara 4:11.​—Jereo KENITA.

3. Tanàna teny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda. (Js 15:1, 48, 57) Maro no mihevitra fa i en-Nebi Yakin, 6 km eo ho eo atsimoatsinanan’i Hebrona, izy io.