Kaisara
(Kaisàra).
Anaram-pianakaviana romanina lasa anaram-boninahitra. Lasa mpitondra tsy refesi-mandidy tao Roma i Caius Julius Kaisara (Jules César), tamin’ny taona 46 T.K. Voatendry hitondra folo taona izy, nefa nisy namono tamin’ny 44 T.K. Kaisara no anaram-pianakaviany (Caius no anarany, ary Julius no anaran’ny fokony na fianakaviambeny). Nomena anarana hoe Kaisara koa i Caius Julius Octavianus (Octavien), izay natsangany ho zanany sy nandimby azy. Nanomboka nitondra i Octavien tamin’ny 31 T.K., ary nomen’ny Antenimieran-doholona Romanina ny anaram-boninahitra hoe Aogosto tamin’ny 27 T.K., ka nantsoina hoe Aogosto Kaisara.—Lk 2:1-7.
Nandray ny anarana hoe Kaisara koa ny mpanjaka romanina efatra nanaraka (Tiberio, Gaio [Caligula], Klaodio, ary Néron), satria havan’ny mpanjaka na natsangany ho zanany. Nitondra an’ilay anarana àry izay nanjaka, ka na tsy nisy intsony aza ny mpanjaka tena fianakavian’i Kaisara, dia mbola anaram-boninahitra nentin’ny mpanjaka ihany ilay hoe Kaisara, izay niavian’ny hoe kaiser (alemà) sy tsar (rosianina).
Asehon’ny tabilao ao ambadika ireo Kaisara nitondra nandritra ny fotoana nanoratana ny Soratra Grika Kristianina, ny fotoana nanjakany, ary ny zavatra niavaka resahin’ny Baiboly hoe nitranga tamin’izany. Kaisara telo monja no tononin’ny Baiboly: Aogosto, Tiberio, ary Klaodio. Jereo ny lahatsoratra momba azy ireo tsirairay.
Andriamanitra sy Kaisara. Indray mandeha ihany i Jesosy no niresaka momba an’i Kaisara. Hoy izy: “Aloavy amin’i Kaisara àry izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.” (Mt 22:17-21; Mr 12:14-17; Lk 20:22-25) Nanontany mantsy ny Jiosy raha mety ny mandoa “hetra isan-dahy” amin’ny Fanjakana Romanina. Lalàna efa nisy sy efa fanao tamin’izany ny nandoa hetra, ka tsy i Tiberio nitondra tamin’izany ihany ilay Kaisara resahina eo. (Ampit. Mt 17:25.) Ilazana ny fitondrana na ny fanjakana àry ilay hoe “Kaisara”, ary ireo nantsoin’i Paoly hoe “manam-pahefana” sy nantsoin’i Petera hoe “mpanjaka” sy “governora” no solontenany.—Ro 13:1-7; Tit 3:1; 1Pe 2:13-17; jereo MANAM-PAHEFANA.
“Izay an’i Kaisara” àry dia izay hetra takin’ny fanjakana ka tokony haloa aminy noho izay ataony ho an’ny vahoaka. Nanao zavatra maro ho an’ny olom-peheziny ny Fanjakana Romanina, ohatra hoe nanao lalana, nanisy karazana paositra, nitandro ny filaminana, ary niaro tamin’ny olon-dratsy. Rariny àry raha nandoa hetra tamin’ny fanjakana ny vahoaka, ka ilay ‘vola madinika nandoavana ny hetra isan-dahy’ izay nisy sarin’i Kaisara no nampiasainy tamin’izany.—Mt 22:19.
Tokony handoa hetra amin’i “Kaisara” koa ny Kristianina, kanefa tsy tokony havelany hanelingelina ny fanompoany an’Andriamanitra izany, satria hoy i Jesosy: ‘Aloavy amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.’ (Mt 22:21) Takatry ny apostolin’i Jesosy fa voafetra ny adidiny amin’ny manam-pahefana. Hentitra izy ireo namaly ny Fitsarana Avo Jiosy hoe: “Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona” rehefa mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra ny an’ny olombelona.—As 5:29.
Fitsarana an’i Jesosy. Ireto heloka lehibe telo ireto no niampangan’ny mpitondra fivavahana an’i Jesosy teo anatrehan’i Pontio Pilato governora romanina: “Nampikomy ny [firenena jiosy], ary nandrara tsy handoa hetra amin’i Kaisara, sady nilaza fa izy no Kristy mpanjaka.” (Lk 23:1, 2) Namadika na naniratsira mpanjaka (heloka nantsoin’ny Romanina hoe crimen laesae majestatis), hono, i Jesosy. Hoy tokoa i Pilato: “Nentinareo teto amiko ity lehilahy ity, ka nolazainareo ho mampikomy vahoaka.” (Lk 23:13, 14) Araka ny lalàna lex Julia majestatis nivoaka tamin’ny taona 48 T.K., dia heloka bevava ny nanohitra ny fanjakan’i Roma. Azo nampangaina ho mpamadika sy nandika an’io lalàna io izay nanevateva an’i Kaisara na nitaona olona hikomy, tamin’ny andron’i Jesosy. Mora tezitra i Tiberio Kaisara mpitondra tamin’izany, raha vao nisy nanakiana na nanohitra. Tena tiany mihitsy ireo “mpitati-bolana” niampanga an’izay noheverina fa namadika azy.
Tsy nisy afaka nanjaka nanerana ny Fanjakana Romanina raha tsy nahazo alalana tamin’i Kaisara. Tena tian’i Pilato ho fantatra àry raha mpanjaka tokoa i Jesosy. (Mt 27:11; Mr 15:2; Lk 23:3; Jn 18:33-37) Hitany hoe tsy meloka i Jesosy ka tiany hafahana. Hoy anefa ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy: “Tsy naman’i Kaisara ianao raha hafahanao io, satria izay manao ny tenany ho mpanjaka dia manohitra an’i Kaisara.” (Jn 19:12) Anaram-boninahitra nomena governoram-paritra matetika ny hoe “naman’i Kaisara.” Te hilaza anefa ireo Jiosy ireo hoe hampangain’izy ireo ho mamadika an’i Kaisara i Pilato raha manafaka an’i Jesosy. Natahotra an’ilay mpanjaka be fialonana àry i Pilato ka nanameloka ho faty olona tsy nanan-tsiny. Ireo mpisorona kosa niantsoantso mafy hoe: “Tsy manana mpanjaka ankoatra an’i Kaisara izahay.” Nolavin’izy ireo àry ny fitondran’Andriamanitra. (Jn 19:13-16; ampit. Is 9:6, 7; 33:22.) Nasain’izy ireo novan’i Pilato ilay soratra hoe “Mpanjakan’ny Jiosy” teo amin’ny hazo fijalian’i Jesosy, fa tsy nety i Pilato. (Jn 19:19-22) Fanaon’ny Romanina mantsy ny nanisy soratra momba ny heloka nanamelohana an’izay novonoina.
As 17:1-9) I Klaodio Kaisara (taona 41-54) no nitondra tamin’izany.—As 11:28.
Nampiakatra fitsarana i Paoly, ary nigadra. Namory vahoaka ny mpitondra fivavahana jiosy tany Tesalonika mba hisakanana ny fitorian’i Paoly sy Silasy, sady niampanga azy ireo ho namadika mpanjaka. (I Néron (taona 54-68), izay namono tena tamin’ny taona 68 tamin’izy 31 taona teo ho eo, ilay Kaisara resahin’ny Baiboly farany. Notsarain’i Festosy tany Kaisaria i Paoly, tamin’ny taona 58 tany ho any. Nolaviny ny hoe nikomy tamin’i Kaisara izy, ary tsy nekeny ny hitsarana azy tany Jerosalema. I Néron ilay Kaisara noresahiny rehefa nilaza izy hoe: “Mijoro eto anoloan’ny fitsaran’i Kaisara aho, ary eto no tokony hitsarana ahy. ... Ampakariko any amin’i Kaisara ny raharaha!” (As 25:1, 6-11) Zon’i Paoly izany satria olom-pirenena romanina izy. Azo natao ny nampiakatra ny raharaha tany amin’i Kaisara, rehefa nivoaka ny didim-pitsarana na nandritra ny fitsarana. Nangataka ny hotsarain’i Kaisara, mpitsara fara tampony, àry i Paoly satria tsy nanantena hahazo rariny tany Jerosalema izy ary tsy te hamoaka didy koa i Festosy. Mety ho tsy nekena ny fangatahan’ny olona iray raha toa izy, ohatra, ka tratra nangalatra, nanao jiolahin-tsambo, na nitaona olona hikomy. Niresaka tamin’ireo “mpanolo-tsaina” àry i Festosy vao nanaiky an’ilay fangatahana. Nasainy nihaino an’i Paoly koa i Heroda Agripa II, mba ho hitany izay hosoratana rehefa halefany hotsarain’i Néron na “Ilay Heni-kaja” i Paoly. (As 25:12-27; 26:32; 28:19) Nampiakatra an’ilay raharaha koa i Paoly satria efa te ho any Roma izy. (As 19:21; Ro 15:22-28) Nisy ny fitarihan’Andriamanitra matoa nohamafisin’i Jesosy sy ny anjely taminy fa ho any Roma izy.—As 23:11; 27:23, 24.
Toa tamin’i Paoly nigadra voalohany tany Roma no nanoratra ho an’ny Filipianina (t. 60-61). Nanao mampamangy, hoy izy, ireo rahalahy tany Roma, “indrindra fa ny ankohonan’i Kaisara.” (Fi 4:21, 22) Tsy voatery ho havana akaikin’i Néron ireo lazaina hoe “ankohonan’i Kaisara”, fa mety ho olona niasa ho an’ny fanjakana, mpanompon’i Kaisara sy mpiasam-panjakana madinika. Tsy voalaza hoe ny fitorian’i Paoly no nahatonga azy ireo ho lasa Kristianina. Raha nifandray anefa ny fonja nisy azy sy ny toerana nisy an’ireo Mpiambina an’i Kaisara (Fi 1:13), dia tsy lavitra ny lapan’i Néron izy ka afaka nitory tamin’ny olona maro anisan’ny ankohonan’i Kaisara (As 28:16, 30, 31), ary nisy tamin’ireo lasa Kristianina. Na ahoana na ahoana, dia niahy an’ireo rahalahy tany Filipy izy ireo. Zanatany romanina mantsy i Filipy, ary nisy miaramila sy mpiasam-panjakana maro efa nisotro ronono tany. Kristianina maromaro tany àry no mety ho havana na naman’ireo nanao mampamangy.
Efa ho ny ampahefatry ny tanànan’i Roma no kilan’ny afo tamin’ny taona 64. Nandeha ny feo hoe i Néron no nahatonga izany. Te hiaro tena izy ka ny Kristianina indray no nampangainy, hoy i Tacite, Romanina mpahay tantara. (Ny Tantara, XV, XLIV) Maro be ny Kristianina nosamborina, novonoina ho faty, ary nisy nampijalijalina (anisan’izany ireo nahiahina ho Kristianina), na nodorana velona teny imasom-bahoaka. Toa nanenjika mafy an’ireo Kristianina ny mpitondra ara-politika, fa tsy ny mpitondra fivavahana, taorian’izay ka niezaka hamongotra ny fiangonana kristianina izy ireo. Nigadra fanindroany i Paoly tamin’ny taona 65 tany ho any (nafahana izy rehefa nigadra roa taona tany Roma [t. 59-61]). Maro no mihevitra fa nasain’i Néron novonoina ho faty izy taorian’izay.—Ampit. 2Ti 1:16, 17; 4:6-8.
Nanomboka nikomy ny Jiosy tamin’ny taona 66, roa taona talohan’ny nahafatesan’i Néron. Tamin’ny taona 70 anefa vao resy ireo mpikomy, rehefa nitondra i Vespasien (69-79). Mety ho nandritra ny fitondran’i Domitien (81-96), izay nanohitra ny Fivavahana Kristianina, no natao sesitany tany amin’ny nosy Patmo ny apostoly Jaona.—Ap 1:9.
[Tabilao, pejy 120]
Anarana
Taona nanjakana
Zava-nitranga niavaka resahin’ny Baiboly
Aogosto (Octavien)
31 T.K.–14 A.K.
Teraka i Jaona (Mpanao Batisa); didy hoe misoratra anarana, teraka tao Betlehema i Jesosy (Lk 2:1); maty i Heroda Lehibe
Tiberio
14-37
Fanompoan’i Jaona sy Jesosy (Lk 3:1); maty izy ireo. Pentekosta taona 33: Niforona ny fiangonana kristianina. Lasa Kristianina i Saoly (Paoly)
Caius (Caligula)
37-41
—
Klaodio
41-54
Dia misionera roa nataon’i Paoly, sy ampahany tamin’ilay dia fahatelo. Mosary lehibe; noroahina tsy ho ao Roma ny Jiosy (As 11:28; 18:2)
Néron
54-68
Notsaraina voalohany tany Roma i Paoly. (As 25:21; 26:32) Nenjehin’ny fanjakana mafy ny Kristianina, rehefa may i Roma; notsaraina fanindroany i Paoly ary novonoina ho faty. Nanomboka nikomy ny Jiosy (66)
Galba
68-69
—
Othon
69
—
Vitellius
69
—
Vespasien
69-79
Noravana i Jerosalema (70)
Titus
79-81
—
Domitien
81-96
Natao sesitany tany Patmo ny apostoly Jaona (Ap 1:9)
Nerva
96-98
—
Trajan
98-117
Azo inoana fa vita tanteraka ny fanoratana ny Baiboly ny taona voalohany nanjakany