Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kaisaria

Kaisaria

(Kaisarìa) [An’i Kaisara].

Tanàna lehibe nisy seranana naorin’i Heroda Lehibe teo amoron-tsirak’i Mediterane, tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany T.K. Tilikambon’i Straton no anarany tany am-boalohany, izay heverina fa avy tamin’ny anaran’ny mpitondra sidonianina. Mbola ahitana an’ilay anarana hoe Kaisaria ao amin’ilay anarany arabo hoe Kaisariye (antsoin’ny Hebreo ankehitriny hoe Horvat Kesari). Tokony ho 40 km any atsimon’ny Tendrombohitra Karmela sy 87 km eo ho eo any avaratra avaratrandrefan’i Jerosalema no misy azy io.

Tsangambato masina sy latabatra fanaovana sorona hita tao Hazora. Mety ho fangatahana natao tamin’ny andriamanitra volana ilay sary eo amin’ny tsangambato afovoany

Ny asa soratr’i Josèphe (Jiosy mpahay tantara) no tena ahalalana ny mombamomba ilay tanàna sy ny nanorenana azy io. Nataon’i Aogosto Kaisara fanomezana ho an’i Heroda Lehibe ilay toerana sy Samaria ary tanàna hafa. Naorin’i Heroda indray i Samaria, ary nantsoiny hoe Sebasta. Teo amoron-tsiraka teo amin’izay nisy ny Tilikambon’i Straton indray izy avy eo no nanao fanorenana: Nanorina seranana sy tanàna tsara tarehy teo izy. Naharitra 10 ka hatramin’ny 12 taona ilay fanorenana, ary misy manam-pahaizana milaza fa tamin’ny taona 10 T.K. tany ho any izy io no notokanana. Ho fanomezam-boninahitra an’i Aogosto Kaisara, dia nantsoin’i Heroda hoe Kaisaria ilay tanàna, fa ilay seranana kosa nantsoiny hoe Sebastos (teny grika midika hoe Aogosto). Tena kanto ilay tanàna satria samy tsara, na ireo akora nanorenana, na ny taotrano. Nisy tempoly, toerana filalaovana tantara an-tsehatra, ary kianja lehibe nahazaka vahoaka be tao. Lakandrano lehibe iray no nitarika rano madio hosotroin’ny mponina tao Kaisaria, ary tany ambanin’ilay tanàna dia nisy fantsona sy tatatra izay nitondra rano maloto sy diky hivarina tany an-dranomasina. Ilay seranana namboarin’olombelona anefa no zava-bita tena niavaka tao.

Rehefa nesorina tamin’ny toerany i Arkelaosy zanak’i Heroda Lehibe, dia lasa tao Kaisaria no nipetraka ireo governora romanina nitondra an’i Jodia. Hita ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly fa sady seranana ilay tanàna no foiben’ny fitondrana.

Rehefa avy nanao asa misionera tany Samaria i Filipo, dia “nitory ny vaovao tsara” teny amin’ireo tanàna teny amoron-tsiraka, nanomboka tany Asdoda ary nianavaratra hatrany amin’ireo tanàna rehetra tany Kaisaria, tokotokony ho 90 km tany avaratra. (As 8:5-8, 40) Lasa Kristianina i Paoly taoriana kelin’izay. Nanomboka nitory tao Jerosalema izy nefa nisy nitady hamono azy. Nentin’ny mpianatra nankany amin’ny seranan’i Kaisaria àry ilay rahalahy vaovao, ka nalefan’izy ireo nody tany Tarsosy tanànany.​—As 9:28-30.

Rariny raha tao Kaisaria ny fonenan’i Kornelio manamboninahitra romanina. Tao mantsy no foibe nitobian’ny tafika romanina. Ny hafa firenena no tena nonina tao, na dia nisy Jiosy maro aza tany. Nety tsara àry ny nitoriana tamin’ireo hafa firenena. Notarihin’Andriamanitra i Petera tamin’ny taona 36, mba hitory tamin’i Kornelio sy ny fianakaviany ary ireo namany akaiky. Izy ireo no voalohany tamin’ireo tsy voafora, natao batisa ary lasa anisan’ny fiangonana kristianina.​—As 10:1-48.

Tany Kaisaria i Heroda Agripa I no nandeha rehefa tsy nahavita nihazona an’i Petera tao am-ponja. Tany izy no nandray an’ireo iraka nalefan’ny mponin’i Tyro sy Sidona, ary maty izy avy eo (taona 44) noho ny didim-pitsaran’Andriamanitra. (As 12:18-23) Namakivaky an’i Kaisaria i Paoly rehefa niverina tany Palestina, tamin’ny faramparan’ny dia misionera faharoa sy fahatelo nataony. (As 18:21, 22; 21:7, 8) Rehefa nitsidika fanindroany an’i Kaisaria i Paoly dia tao amin’i Filipo mpitory ny vaovao tsara izy sy ny namany no nilasy. Niorim-ponenana tany Kaisaria angamba i Filipo rehefa avy nitory ka nitety faritra maro. Nisy mpianatra vitsivitsy avy tao Kaisaria niaraka tamin’ny apostoly Paoly mba hiakatra ho any Jerosalema, na dia efa nampitandreman’i Agabo mpaminany aza izy fa hisy loza hanjo azy.​—As 21:10-16.

Nisy nitetika hamono i Paoly tany Jerosalema, tamin’izy efa voafonja. Nentina tany Kaisaria àry izy mba hotsarain’i Feliksa Governora, ka miaramila maro no nanatitra azy tany. (As 23:23, 24) Mpivavaka mafana fo tafahoatra sy mora mirotaka ny tao Jerosalema. Nilamindamina kosa anefa ny tany Kaisaria. Asehon’izany fa tena voafehin’ny Romanina izy io, sady nisy tobin’ny tafika romanina koa tao. Noteren’i Festosy, governora mpandimby an’i Feliksa, hidina tany Kaisaria ireo Jiosy mpanohitra an’i Paoly tany Jerosalema, mba hilaza ny antony niampangan’izy ireo azy. Tamin’izay i Paoly no nampakatra ny raharaha tany amin’i Kaisara fa tsy te hotsaraina tany Jerosalema. (As 25:1-12) Raha mbola notazonina tao Kaisaria izy, satria niandry ny hamindrana azy tany Roma, dia afaka nitory momba ny Fivavahana Kristianina tamin’i Festosy sy ireo nitsidika azy, dia i Agripa Mpanjaka II sy Berenika anabaviny. (As 25:13, 22-27; 26:1-32) Mbola voafonja i Paoly tamin’izy nandeha sambo avy tao mba ho any Roma.​—As 27:1, 2.

Nifandrafy ny Jiosy sy ny Syrianina nonina tao Kaisaria, tamin’ny andro nanjakan’i Néron. Voalaza fa io zava-nitranga io no nitarika ilay fikomiana niafara tamin’ny fandravana an’i Jerosalema, tamin’ny taona 70.

Nahitana vato nisy ny anaran’i Pontio Pilato tamin’ny teny latinina tao amin’ny kianja filalaovana tantara an-tsehatra tany Kaisaria, tamin’ny 1961, ary sambany no nahitana soratra toy izany.