Kala
(Kàla).
Tanàna naorin’i Nimroda tany Asyria ary anisan’ny “tanàna lehibe”, izay tsy iza fa i Ninive, Kala, Resena ary Rehobota-ira mitambatra. Toa teny akaikin’i Ninive ireo tanàna telo farany ireo. (Ge 10:9-12) I Kalho no iantsoana an’i Kala eo amin’ireo soratra miendri-pantsika asyrianina. Izy sy Ninive ary Asyra no tanàna lehibe indrindra tany Asyria, tamin’ny fotoana nampahatanjaka be ny Fanjakana Asyrianina. Teo amin’ny fihaonan’ny Reniranon’i Zab Lehibe sy Tigra no nisy an’i Kala, teo avaratratsinanan’i Tigra, 35 km teo ho eo atsimo atsimoatsinanan’i Ninive. Antsoina ankehitriny hoe Nimroud ny toerana nisy an’io tanàna io, araka ny anaran’ilay nanorina azy taloha.
Nilaza i Asoronasirpala II fa naoriny indray io tanàna efa rava io, tamin’ny taonjato fahasivy T.K., ka nataony renivohiny. Nanorina manda matevim-be izy, ary nasiany tilikambo maro izy io. Nanao lapa sy tempoly koa izy, anisan’izany ny tempoly iray mitovitovy amin’ny piramida, izay nahatratra 38 m teo ho eo ny haavony. Milaza ny mpikaroka fa 358 ha ny velaran-tanin’ilay tanàna, ary nisy lapa sy tempoly ary trano tao. Nisy zaridaina sy saham-boankazo koa tao. Ny ranon’i Zab no notarihina tamin’ny lakandrano mba hanondrahana azy ireny. Nanao fanasambe i Asoronasirpala rehefa vita ilay renivohiny vaovao. Nasainy daholo, hono, ny iray tanàna sy ny olo-manan-kaja avy any an-tany hafa, ka 69 574 izy rehetra.
Nahitana zavakanto asyrianina faran’izay tsara ny sisan-javatra nofongarina avy tao Kala. Anisan’izany ny liona goavam-be manan’elatra sy lohan’olona, ombilahy ngezabe manan’elatra, sary mivohitra lehibe maro avy tamin’ny rindrin’ny lapa, ary asa sokitra maro tsara tarehy vita amin’ny ivoara. Anisan’ny nofongarina tao koa ilay sarivongan’i Asoronasirpala, izay mbola tsy nisy simba mihitsy, ary ny Vatolahy Maintin’i Salmanesera III. Resahin’io vato io fa nandoa hetra tamin’i Asyria i Jeho mpanjakan’ny Israely.—Jereo SALMANESERA No. 1.
Rava toa an’ireo tanànan’ny mpanjaka hafa tany Asyria i Kala tamin’ny farany, rehefa resy ny Fanjakana Asyrianina.