Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kalalao

Kalalao

[Heb.: hasil].

Tsy tena fantatra hoe bibikely inona ilay hasil (heb.), izay toa avy amin’ny fototeny midika hoe ‘lany.’ (Ampit. De 28:38.) Nadika hoe “valala”, “kijeja”, “sompanga” na “kalalao” ny hoe hasil. (Ampitahao Is 33:4 sy Jl 1:4 ao amin’ny DIEM, Kat., Prot., ary TV.) Tsy valala (ʼarbeh) fa mety ho kalalao (Periplaneta furcata sy Blatta orientalis) ilay bibikely tsy mahasoa atao hoe hasil (heb.), hoy ny diksionera hebreo-aramianina nataon’i Koehler sy Baumgartner (p. 319).

Lava sy matanjaka ny tongotry ny kalalao, ka ahafahany mitsoriaka. Anisan’ny bibikely haingam-pandeha indrindra izy. Fisaka ny tarehiny, fohy ny lohany toy ny hoe somary miondrika, ary lavalava toy ny kofehy ny tandrony. Mitapelaka ny vatany ka ahafahany misitrika anaty lavaka kely. Mainty na mivolontsôkôlà ny ankamaroan’ny kalalao, fisaka sy malamalama ny vatany ary misy fonony mangirana. Tsy tia hazavana be izy ka amin’ny alina vao mivoaka hisakafo.

Hisy andiana bibikely handravarava an’i Joda, hoy i Joela mpaminany, ka ny hasil no bibikely farany hihinana izay tsy lanin’ireo teo alohany. (Jl 1:4) Ho avy koa, hoy izy, ny fotoana hahazoana fitahiana sy famelan-keloka. Ho voasakana ny mpanafika, ary honerana izay lanin’ny hasil sy ireo bibikely anisan’ilay ‘tafika lehibe’ nalefan’Andriamanitra. (Jl 2:25) Niangavy an’i Jehovah i Solomona mba hamela ny heloky ny vahoakany, raha nibebaka izy ireo rehefa nandefasany andiana bibikely, anisan’izany ny hasil. (1Mp 8:37-40; 2Ta 6:28-31) Niaraka tamin’ny andiam-balala nalefan’i Jehovah hamely an’i Ejipta koa ny hasil.​—Sl 78:46.

Noresahin’i Isaia mpaminany fa nampihorohoro an’i Joda ny fanafihan’ny tafik’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, izay efa nandrava tanàna maro. (Is 33) Niangavy ny fiantran’i Jehovah àry i Isaia, satria efa nandresy firenena maro Izy taloha. Nanome toky an’ireo Israelita izy fa hofaizin’ilay Mahery Indrindra ny fahavalo, ka tsy maintsy hamela zavatra be dia be hobaboin’izy ireo. Ho toy ny hasil mandeha hatraiza hatraiza tsy misy mpanelingelina ka manangona izay hitany sy mihinana ny zava-drehetra àry ny vahoakan’Andriamanitra, rehefa manangona an’izay azony babo avy amin’ny tafika asyrianina. (Is 33:1-4) Mety tsara ilay sarin-teny satria efa noravaravan’ny andiana hasil ilay tany teo aloha.