Kalandrie
Fomba fizarana ny fotoana ho taona, volana, herinandro, ary andro. Mbola tsy namorona ny olombelona Andriamanitra dia efa nanome an’ireo “hazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra” mba handrefesana ny fotoana. Manondro “fizaran-taona sy andro ary taona” mantsy ireny hazavana ireny. (Ge 1:14, 15) Nanjary nisy àry ny andro sy ny taona ary ny volana, ka ny fotoana ihodinan’ny Tany amin’ny tenany no iray andro, ary ny fotoana ihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro no herintaona. Ny fotoana ihodinan’ny Volana amin’ny Tany kosa no iray volana. Miovaova arakaraka ny toerany raha oharina amin’ny Masoandro sy ny Tany ny fahitana ny Volana, mandritra izany fotoana izany. Ny olombelona kosa no nifidy ny fomba fizarana ny fotoana ho herinandro sy ny fizarana ny andro ho ora.
Efa hatramin’ny andron’i Adama no nampiasa ny taona ny olona mba handrefesana fotoana, matoa voalaza hoe “telopolo amby zato taona” i Adama tamin’izy niteraka an’i Seta.—Ge 5:3.
Nanjary nozaraina ho volana koa ny fotoana. Tamin’ny Safodrano, ohatra, dia efa niresaka momba ny volana nisy 30 andro ny olona, satria voalaza fa 150 andro ny 5 volana. (Ge 7:11, 24; 8:3, 4) Hita ao amin’io fitantarana io koa fa notsinjarain’i Noa ho 12 volana ny herintaona.—Jereo TAONA.
Efa nahazatra ny olona tamin’izany ny niresaka momba ny fe-potoana nisy fito andro, ary mety ho efa talohan’izay mihitsy aza izany no fampiasa. (Ge 7:4, 10; 8:10, 12) Tsy nandidy ny olona hitandrina Sabata isan-kerinandro mihitsy anefa Andriamanitra, raha tsy efa taorian’ny nialan’ny Israely tany Ejipta.—Jereo HERINANDRO.
Kalandrie maro samihafa no noforonin’ny olona hatramin’izay, ary misy amin’izy ireny mbola ampiasaina ankehitriny. Kalandrie manaraka ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany no kalandrie fampiasan’ny olona taloha, ka nisaina ho iray volana, ohatra, ny fe-potoana nanomboka tamin’ny tsinam-bolana iray ka hatramin’ny tsinam-bolana nanaraka. Maharitra 29 andro sy 12 ora ary 44 minitra eo ho eo ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany. Mazàna no natao 29 na 30 andro ny iray volana, fa ny Baiboly kosa nanao azy ho 30 andro foana amin’ny ankapobeny.—Ampit. De 21:13; 34:8; jereo koa Ap 11:2, 3.
Misy 12 volana ny taona refesina amin’ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany. Tsy ampy 11 andro eo ho eo io taona io raha ampitahaina amin’ny taona refesina amin’ny fihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro, izay misy 3651⁄4 andro. Ny taona refesina amin’ny fihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro anefa no amantarana hoe aiza no manomboka ny fizaran-taona tsirairay. Tsy maintsy nampifanarahana tamin’io taona io àry ny kalandrie, ka izany no nampisy an’ireo taona antsoina hoe luni-solaire, izany hoe ny volana tsirairay amin’ireo taona ireo dia ny fotoana ihodinan’ny Volana amin’ny Tany, fa ny taona kosa refesina amin’ny fihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro. Noho izany, dia nampiana andro vitsivitsy ny taona tsirairay, na nampiana volana iray ny taona sasany tao amin’ilay kalandrie, mba hamenoana ny tsy ampy tamin’ny taona refesina amin’ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany.
Kalandrie hebreo. Ilay kalandrie nasiana fanitsiana (luni-solaire) no nampiasain’ny Israelita. Manaporofo izany ny nifidianan’i Jehovah ny volana Abiba tamin’ny lohataona ho volana voalohany amin’ny taona masina, sy ny nifidianany daty tsy miova mba hankalazana ny fety sasany nifandray tamin’ny fijinjana. Nisy fanamboarana tsy maintsy natao àry tamin’ny kalandrie matoa nifanitsy tamin’ireny daty ireny ny fotoam-pijinjana. Natao izany mba hamenoana ny tsy ampy tamin’ny taona refesina amin’ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany.—Ek 12:1-14; 23:15, 16; Le 23:4-16.
Tsy lazain’ny Baiboly ny fomba nampiasaina tany am-boalohany mba hamantarana hoe taiza ho aiza tamin’ny kalandrie no tokony hampiana andro vitsivitsy, na volana iray. Azo inoana anefa
fa nanampy hamantarana izany ny ekinôksa (andro ao anatin’ny taona itovizan’ny halavan’ny andro sy ny alina), izany hoe ny ekinôksa amin’ny lohataona na ny ekinôksa amin’ny fararano: Rehefa hita avy amin’ny ekinôksa fa lasa aoriana kokoa ny fizaran-taona iray raha oharina amin’ilay volana tokony hifanitsy aminy, dia nilaina nahitsy ilay kalandrie. Izany no nahatonga ny Israelita hanampy volana faha-13 nantsoina hoe Veadara, na Adara faharoa, rehefa avy tany an-tsesitany izy ireo. Marina fa tsy voaresaka mivantana ao amin’ny Baiboly izany, nefa fantatra fa nanisika an’io volana io izy ireo mba hanitsiana ny kalandrie.Tsy nahitana soratra miresaka momba ny kalandrie jiosy ofisialy mihitsy raha tsy tamin’ny taonjato fahefatra (t. taona 359). Tamin’izay i Hilela II no namaritra hoe tokony hampiana volana faha-13 ny taona faha-3, faha-6, faha-8, faha-11, faha-14, faha-17, ary ny faha-19, isaky ny 19 taona. Matetika io tsingerina misy 19 taona io no antsoina hoe tsingerin’i Méton (Grika mpahay matematika tamin’ny taonjato fahadimy T.K.), na dia efa nohatsarain’ny Babylonianina aza izy io talohan’izay. (Jereo Fanisan-taona Babylonianina, 626 T.K.–75 A.K., nosoratan’i R. Parker sy W. Dubberstein, 1971, p. 1, 3, 6.) Isaky ny 19 taona, dia andro mitovy foana amin’ny kalandrie manaraka ny fihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro no isehoan’ny tsinam-bolana ary toy izany koa ny fenomanana.
Manomboka amin’ny tsinam-bolana iray ka hatramin’ny tsinam-bolana manaraka ny volana jiosy. (Is 66:23) Iray tarika amin’ilay teny hebreo hoe hadash (midika hoe “vaovao”) ilay teny hebreo hoe hôdesh izay nadika hoe “volana” (Ge 7:11) na “tsinam-bolana” (1Sa 20:27). Adika hoe “volana” koa ilay teny hebreo hoe yerah. (1Mp 6:38) Afo na mpitondra hafatra no nampiasaina, tatỳ aoriana, mba hampahafantarana ny olona fa nanomboka ny volana vaovao.
Ny filaharany ao anatin’ny taona fotsiny matetika no ilazana ny volana tsirairay ao amin’ny Baiboly, manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny faha-12. (Js 4:19; No 9:11; 2Ta 15:10; Je 52:6; No 33:38; Ezk 8:1; Le 16:29; 1Mp 12:32; Ezr 10:9; 2Mp 25:1; De 1:3; Je 52:31) Volana efatra monja no voalaza anarana talohan’ny sesitany tany Babylona. Ireto avy izany: Abiba, volana voalohany (Ek 13:4); Ziva, volana faharoa (1Mp 6:37); Etanima, volana fahafito (1Mp 8:2); ary Bola, volana fahavalo (1Mp 6:38). Mifandray amin’ny fizaran-taona ny hevitry ny anaran’ireny volana ireny. Vao mainka izany manamafy fa nampiasa taona luni-solaire ny Jiosy.—Jereo ny anaran’ny volana tsirairay.
Taorian’ny sesitany, dia ny anaran’ny volana tany Babylona no nampiasain’ny Israelita, ary ny fito aminy ihany no voalaza: Nisana, volana voalohany solon’ny Abiba (Es 3:7); Sivana, volana faha-3 (Es 8:9); Elola, volana faha-6 (Ne 6:15); Kisleo, volana faha-9 (Za 7:1); Tebeta, volana faha-10 (Es 2:16); Sebata, volana faha-11 (Za 1:7); ary Adara, volana faha-12 (Ezr 6:15).
Hita ao amin’ny Talmoda jiosy sy ny asa soratra hafa kosa ny anaran’ireo volana dimy ambiny. Ireto avy izany: Iara, volana faha-2; Tamoza, volana faha-4; Aba, volana faha-5; Tisry, volana faha-7; ary Hesvana, volana faha-8. Nantsoina hoe Veadara, na Adara faharoa, ilay volana faha-13, izay nasisika tao anatin’ny taona sasany.
Tatỳ aoriana, dia natao raikitra ny isan’ny andro tamin’ny ankamaroan’ny volana. Natao 30 andro ny tsirairay tamin’ireto volana ireto: Nisana (Abiba), Sivana, Aba, Tisry (Etanima), ary Sebata. Natao 29 andro ny volana Iara (Ziva), Tamoza, Elola, ary Tebeta. Natao 29 na 30 andro kosa ny volana Hesvana (Bola) sy Kisleo ary Adara mba hahafahana hanitsy ny kalandrie manaraka ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany. Natao koa izany mba tsy hisy andro fety hitontona amin’ny andro noheverin’ny mpitondra fivavahana jiosy tatỳ aoriana ho andro fady.
Nanomboka tamin’ny lohataona, tamin’ny volana Abiba (Nisana) ny taona masina, araka ny didy nomen’Andriamanitra taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta. (Ek 12:2; 13:4) Voalazan’ny Baiboly anefa fa talohan’izay, dia nanomboka tamin’ny fararano ka hatramin’ny fararano nanaraka an’iny ny taona iray tamin’ny Israelita. Neken’Andriamanitra izany, ka nanjary nampiasa kalandrie roa ny Israelita: Kalandrie ara-pivavahana sy kalandrie tsy ara-pivavahana na manaraka ny taom-pambolena. (Ek 23:16; 34:22; Le 23:34; De 16:13) Taorian’ny sesitany, dia ny 1 Tisry no fiandohan’ny taona amin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana. Volana any amin’ny faramparan’ny taona ara-pivavahana ny Tisry. Mbola ankalazaina amin’io daty io hatramin’izao ny Taom-baovao jiosy, na Rosh Hashanah (lohan’ny taona).
Hita tany Gazera tamin’ny 1908 ny hany takela-bato nisy soratra nitovitovy tamin’ny kalandrie hebreo tranainy iray, ary voalaza fa tany amin’ny taonjato fahafolo T.K. izy io. Kalandrie manaraka ny taom-pambolena izy io, ary milaza ny asa fambolena manomboka amin’ny fararano. Toy izao ilay izy raha fintinina: Roa volana fitehirizam-bokatra, roa volana famafazana, roa volana fitsirian’ny zavamaniry amin’ny lohataona, iray volana fijinjana rongony fanaovan-damba, iray volana fijinjana orza, iray volana fijinjana vokatra hafa, roa Le 26:5.
volana fandrantsanam-boaloboka, ary iray volana farany fiakaran’ny voankazo masaka fahavaratra.—Asehon’ilay sary miaraka amin’ity lahatsoratra ity ireo volana ao amin’ny kalandrie ara-pivavahana sy tsy ara-pivavahana ary ireo volana mifanitsy aminy ao amin’ny kalandrie maoderina.
Mbola nampiasain’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoly ny kalandrie jiosy, satria miresaka imbetsaka momba ireo fety mifandray amin’ny fizaran-taona ny Filazantsara sy ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Ireny fety ireny no nanampy hamantarana hoe oviana marina no niseho ny zava-nitranga taloha voatantara ao amin’ny Baiboly.—Mt 26:2; Mr 14:1; Lk 22:1; Jn 2:13, 23; 5:1; 6:4; 7:2, 37; 10:22; 11:55; As 2:1; 12:3, 4; 20:6, 16; 27:9.
Tsara homarihina fa tsy takina hanaraka kalandrie ara-pivavahana misy fety sasany ny Kristianina. Izany rahateo no noresahin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Galatianina 4:9-11 sy ny Kolosianina 2:16, 17. Ny Sakafo Harivan’ny Tompo ihany no asaina ankalazain’ny Kristianina isan-taona. Atao amin’ny fotoanan’ny Paska izy io, ary ny kalandrie refesina amin’ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany no amantarana ny datiny.—Mt 26:2, 26-29; 1Ko 11:23-26; jereo SAKAFO HARIVAN’NY TOMPO.
Kalandrie jolianina sy gregorianina. Namoaka didy hanovana ny kalandrie romanina i Jules César tamin’ny 46 T.K. Novana hanaraka ny fihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro àry ilay kalandrie taloha izay nanaraka ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany. Antsoina hoe kalandrie jolianina izy io, ary ny kajy nataon’i Sosigène (astronoma grika) no narahina. Misy 12 volana izy io, tsy miovaova ny isan’ny andro ao anatin’ny volana iray, ary misy 365 andro ny taona iray manomboka ny 1 Janoary. Nampiana andro iray isaky ny efa-taona koa io kalandrie jolianina io, mba hamenoana an’ilay ampahany kely (1⁄4 andro) tsy ampy hahatonga azy io ho 3651⁄4 andro. Lasa mihoatra kely indray anefa izy io raha oharina amin’ilay tena taona refesina amin’ny fihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro.
Mihoatra 11 minitra sy 14 segondra mahery kely izy io raha oharina amin’ny tena taona refesina amin’ny fihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro. Nitambatambatra izany ka folo andro be izao no nihoatra rehefa tonga ny taonjato faha-16. Nasian’ny Papa Grégoire Faha-13 fanitsiana kely àry ny kalandrie jolianina tamin’ny 1582: Mbola nampiana andro iray ihany ny taona iray isaky ny efa-taona, saingy tsy nampiana andro iray ilay taona isaky ny 100 taona raha tsy azo nozaraina tamin’ny 400 ilay
taona. Namoaka didy ny papa tamin’ny 1582 fa hanesorana folo andro io taona io, hany ka lasa 15 Oktobra ny andro nanaraka ny 4 Oktobra. Avy amin’izany no nahazoana ny kalandrie gregorianina. Io kalandrie io no ampiasaina any amin’ny ankamaroan’ny tany ankehitriny sy ampiasaina koa ato amin’ity boky ity.Marina fa mampiasa ny kalandrie eo an-toerana ny Kristianina, nefa fantatr’izy ireo fa manana ny kalandrieny manokana i Jehovah, ilay Andriamanitra mandrakizay, ary tsy voatery hanaraka ny fomba fanisan’ny olona ny fotoana Izy. Hoy i Daniela mpaminaniny: “Manova fotoana sy vanim-potoana izy, manaisotra mpanjaka sy mametraka mpanjaka, manome fahendrena ho an’ny hendry, ary manome fahalalana ho an’ny manana fahaiza-manavaka. Mampiharihary zava-dalina sy zava-miafina izy, mahalala an’izay ao anaty haizina, ary ao aminy no itoeran’ny hazavana.” (Da 2:21, 22) Mpanjakan’izao Rehetra Izao i Jehovah, ka any ambony lavitra ny Tany no misy azy. Tsy misy heriny eo aminy àry ny fihodinan’ny Tany amin’ny tenany, ny andro sy ny alina, ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany, ary ny fihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro. Na izany aza, dia ireo fomba fanisana andro ireo no ampiasain’Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly, rehefa miresaka momba izay ataony sy ny fikasany izy. Te hanampy ny olombelona eto an-tany mantsy izy hamantatra hoe aiza ho aiza izy ireo raha oharina amin’ny fandaharam-potoanan’Andriamanitra.—Jereo FANISAN-TAONA.