Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kalesy

Kalesy

Fiara misy kodiarana roa, tarihin-tsoavaly, ary natao hampiasaina tany an’ady fa tsy hitaterana miaramila na entana. Avy amin’ny matoanteny fototeny hoe rakav (“mitaingina”) (Ge 24:61; 1Sa 25:42; 1Mp 18:45) ny teny hebreo efatra ilazana kalesy (merkav [1Mp 4:26]); merkavah [Ge 41:43]; rekev [1Mp 1:5]; rekov [Sl 104:3]). Harma izy io amin’ny teny grika. (As 8:28) Afaka nandeha haingana ny miaramila nitaingina kalesy, afaka nitifitra zana-tsipìka, ary sahy kokoa rehefa niady tamin’ny miaramila nandeha an-tongotra. Ahitana sarina kalesy maro isan-karazany ny tsangambato fahiny. Efa nisy hatry ny ela àry ny kalesy sady niely be.

Avoavo hatreo amin’ny fe ny sisiny roa tamin’ny kalesy. Nisy hazo lavalava nihodinan’ny kodiarany, sady nifampitohy tamin’ny hazo niraiketan’ny zioga nifatoran’ny tadin’ny soavaly haingam-pandeha nitarika azy. Mora niakarana avy teo aoriana satria tsy nisy na inona na inona. Matetika no nasiana tranon-jana-tsipìka sy fitoerana tsipìka, ampinga, ary lefona tao anaty kalesy. Nisy lelan’antsy ny ivon-kodiaran’ny kalesin’ady sasany, ka nampahatahotra an’ireo miaramila nandeha an-tongotra. (Js 17:16, 18; Mpts 1:19) Raha olona iray monja no tao anaty kalesy, dia nafatony tamin’ny andilany ny lamboridy, ka afaka nitana fiadiana izy sady niady. Notarihin’ny soavaly maromaro ny kalesy lehibe sy navesatra kokoa. Roa na telo na efatra no nitaingina azy ka iray mpamily, iray na roa mpiady, ary iray mpitondra ampinga angamba.​—Ek 14:7.

Nohatsaraina foana ny kalesy. Lasa mora avily sy tsy mora mivadika, ohatra, ilay izy rehefa nafindra tany aoriana ny hazo nihodinan’ny kodiarana. Lasa maivana kokoa ka afaka nandeha mafy koa ilay izy rehefa nasiana rantsany ny kodiarana, fa tsy natao bolongan-kazo be fotsiny. (1Mp 7:33) Ny kodiarana nisy rantsany enina no be mpampiasa, fa nisy koa nanana rantsany efatra na valo na mihoatra. Hazo maivana no nanaovana kalesy, ary hoditra, halimo, na vy no nanakambanana azy. Olona iray na roa monja àry dia nahabata azy rehefa nikitoantoana ny lalana na rehefa niampita sakelidrano.

Nampiasa kalesin’ady ny firenena maro mpanompo sampy niady tamin’ny Israely. Naripak’i Jehovah teo amin’ny Ranomasina Mena ny tafik’i Farao manontolo, izay nisy kalesin’ady voafantina 600 “niaraka tamin’ny kalesy hafa rehetra tao Ejipta” (1513 T.K.). (Ek 14:6, 7; 15:4, 19; Js 24:6) Rehefa naka ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, dia resiny ny fahavalony ary nodorany ny kalesin’ireny. (Js 11:4-9) Nampahorin’i Jabina mpanjakan’i Kanana 20 taona ny Israelita. Nataon’i Jehovah nihitsoka sy potika teo amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kisona anefa ireo kalesiny 900 nisy lelan’antsy notarihin’i Sisera. (Mpts 4:2, 3, 13, 15, 16; 5:28) Nitondra kalesin’ady maro be ny Filistinina, Ejipsianina, Etiopianina, Syrianina, Asyrianina, ary Babylonianina niady tamin’ny mpanjakan’ny Israely, ary nisy aza nitondra 32 000. (1Sa 13:5; 2Sa 1:6; 1Ta 19:6, 7, 18; 2Ta 12:2, 3; 14:9; 16:8; Is 37:21, 24) Nampirehareha an’ireo firenena ireo ny kalesiny, nefa hopotehina ireny, hoy ny mpaminany.​—Je 50:37; 51:21; Mi 5:10, 15.

Toerana marin-tampona, toy ny Lemak’i Filistia sy ny Lohasahan’i Jezirela, fa tsy be havoana, no tsara nitondrana kalesin’ady. Nirehareha ny Syrianina hoe ho resin’ny kalesiny ny Israely raha asaina miady eny amin’ny tany lemaka fa tsy eny an-tendrombohitra, satria “Andriamanitry ny tendrombohitra”, hono, ny Andriamanitry ny Israely. Resy tanteraka anefa ny Syrianina satria “Andriamanitry ny tany lemaka” koa i Jehovah.​—1Mp 20:23-30.

Efa tamin’ny andron’i Solomona ny Israely vao nanana kalesin’ady maro. Noraran’Andriamanitra tsy hanana soavaly maro be mantsy ny mpanjaka, satria tsy niankina tamin’ireny ny fiarovana an’ilay firenena. Vitsy àry ny kalesin’izy ireo, satria soavaly no nitarika kalesy. (De 17:16) Hoy i Samoela momba izay hataon’ny mpanjaka tamin’ny vahoaka: “Halainy ho azy ny zanakareo lahy, ka hataony eny amin’ny kalesiny.” (1Sa 8:11) Nampanao kalesy ho an’ny tenany i Absaloma sy Adonia rehefa nitady hanongana mpanjaka, ary samy nanendry lehilahy 50 hihazakazaka teo alohan’ilay izy. (2Sa 15:1; 1Mp 1:5) Soavaly 100 mpitarika kalesy no notsimbinin’i Davida rehefa resiny ny mpanjakan’i Zoba.​—2Sa 8:3, 4; 10:18.

Nampitomboin’i Solomona Mpanjaka ho 1400 ny kalesin’ny tafik’Israely. (1Mp 10:26, 29; 2Ta 1:14, 17) Natao fanatobiana sy fikarakarana an’ireo kalesy rehetra ireo i Jerosalema sy ny tanàna hafa.​—1Mp 9:19, 22; 2Ta 8:6, 9; 9:25.

Samy nanana kalesy ny fanjakana tany avaratra sy tany atsimo, taorian’ny nahafatesan’i Solomona. Nizara ho andiany roa ny kalesy tany avaratra matoa nisy ‘lehiben’ny antsasak’ireo kalesy.’ (1Mp 16:9) Fantatr’olona i Jeho Mpanjaka rehefa nitondra kalesy, satria niriotra mafy. (2Mp 9:20) Voatifitra zana-tsipìka teny ambony kalesy i Ahaba sy Jorama mpanjakan’ny Israely ary Ahazia sy Josia mpanjakan’ny Joda, ka maty.​—1Mp 22:34-38; 2Mp 9:21, 24, 27; 2Ta 18:33, 34; 35:23, 24.

Hoy i Isaia mpaminany tamin’ny Israely mpikomy: “Lozan’izay midina hitady fanampiana any Ejipta, sy miantehitra amin’ny soavaly, sy mitoky amin’ny kalesin’ady noho ny hamaroan’ireny, ary mitoky amin’ny soavaly fitondra miady satria tena mahery ireny. Tsy mitodika any amin’Ilay Masin’ny Israely izy ireo, ary tsy mitady an’i Jehovah.”​—Is 31:1.

Natao hoentina tany an’ady ny kalesy, nefa nampiasaina koa rehefa nihaza bibidia na tamin’ny fotoana hafa. Nitaingina kalesim-boninahitra nanarakaraka ny an’i Farao, ohatra, i Josefa mpiandraikitra ny sakafo tany Ejipta. Nitaingina kalesy koa izy rehefa nitsena an’i Jakoba rainy tonga tany Ejipta. (Ge 41:43; 46:29) Maro be ny kalesy nentin’ireo nandevina an’i Jakoba niainga avy tany Ejipta nankany Makpela, toeram-pandevenana novidin’i Abrahama. (Ge 50:7-14) Nandeha kalesy koa i Rehoboama sy Ahaba Mpanjaka, Namàna lehiben’ny tafika syrianina, ary ilay tandapa etiopianina nanasa an’i Filipo mpitory ny vaovao tsara hitaingina hiaraka aminy, teo amin’ny lalana nankany Gaza. (1Mp 12:18; 18:44, 45; 2Mp 5:21, 26; As 8:28-31, 38) Voaravaka sy nisy tafo ny kalesy nitaingenan’ny filoha mpandresy. Natokan’ny mpanjakan’ny Joda mpivadi-pinoana ho an’ny fivavahana tamin’ny masoandro ny kalesy masina sy ny soavaly nitarika azy ireny.​—2Mp 23:11.

Heviny an’ohatra. Toy ny tsipìka sy sabatra ihany dia ilazana ady koa ny kalesy, ao amin’ny faminaniana. (Is 21:7, 9; Za 9:10) Tsy hay tohaina ny herin’Andriamanitra handringanany ny fahavalony satria ‘an’aliny ny kalesin’adiny, eny, arivoarivo.’​—Sl 68:17; 2Mp 6:17.