Kana
(Kàna).
[1, 2: Bararata; Fantàkamanitra]
1. Lohasaha falehan-driaka, izay sisin-tany nanasaraka ny tanin’i Efraima sy Manase. (Js 16:8; 17:9) Maro no milaza azy io ho ny Lohasaha Falehan-driaka Kanah (Nahal Qana) ankehitriny. Avy any amin’ny havoana any atsimoandrefana kelin’i Naplouse no mipoitra ny rano mikoriana eo amin’io lohasaha io. Samy mikoriana mianatsimoandrefana izy io sy ny rano eo amin’ny Lohasaha Falehan-driaka Ishkar, ary samy mamonjy ny Lohasaha Falehan-driaka Yarkona (Nahal Yarkona), izay mifarana ao amin’ny Ranomasina Mediterane eo avaratr’i Tel Aviv-Yafo. Misy manam-pahaizana milaza anefa fa tonga dia nivarina tao amin’ny Ranomasina Mediterane, tokony ho 10 km tany avaratra kokoa, ny rano avy tao amin’ny Lohasaha Falehan-driaka Kanah, tamin’ny andron’i Josoa.
2. Tanàna teo amin’ny sisin-tanin’i Asera. (Js 19:24, 28) Maro no mihevitra azy io ho i Qana, tokony ho 12 km any atsinanana atsimoatsinanan’i Tyro.
3. [mety ho avy amin’ny teny heb. hoe kaneh “bararata” ka mety hidika hoe Toeran’ny Bararata]. Tanàna niavian’i Natanaela. (Jn 21:2) Nampifankahalalaina tamin’i Jesosy izy ary lasa mpianany. Toa telo andro taorian’izay i Jesosy sy ny reniny ary ny rahalahiny no nanatrika ilay fampakaram-bady tany Kana. Tany i Jesosy no nanao fahagagana voalohany ho famantarana, ka nanova rano ho divay tena tsara. “Nidina nankany Kapernaomy” izy sy ny fianakaviany ary ny mpianany, rehefa niala tao. (Jn 1:43-49; 2:1-12) Niverina tany Kana i Jesosy tatỳ aoriana, ary nanatona azy ny tandapa iray ka niangavy azy mba “hidina” tany Kapernaomy ary hanasitrana ny zanany, izay efa ho faty. Tsy nila nankany i Jesosy nefa vitany ny nanasitrana ilay marary.—Jn 4:46-54.
Nantsoina hoe “Kana any Galilia” ilay tanàna mba hiavahany tamin’ilay Kana tany amin’ny faritanin’i Asera. (Js 19:28) I Kafr Kanna, tanàna 6,5 km any avaratratsinanan’i Nazareta, no nolazain’ny lovantsofina fa i Kana. Misy loharano maro ao. Milaza anefa ny mpanao diksionera fa sarotra inoana ny hoe i Kana no ho lasa Kanna, indrindra rehefa jerena ilay “n” roa. Mora tamin’ireo mpanao fivahiniana masina avy tany Nazareta ny nankany Kafr Kanna, ka azo inoana fa izay no nahatonga an’ilay lovantsofin’ny fiangonana hoe io ihany no Kana.
Maro kokoa anefa ny mpikaroka milaza an’i Kana ho i Kirbet Kana, tokotokony ho 13 km any avaratr’i Nazareta, ary betsaka ny porofo manohana an’izany. Efa rava ilay tanàna kely tao, izay niorina teo ambony havoana teo amin’ny sisin’ny Lemak’i Asochis (el-Battof [Bikʽat Bet Netofa] ankehitriny). Feno bararata maniry eo amin’ilay lemaka be honahona eo akaiky eo, ka mifanentana tsara amin’ny anaran’i Kana. Kana el-Jelil (midika hoe Kana any Galilia) no mbola iantsoan’ny Arabo an’io toerana io. Nilaza i Josèphe (Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany) fa nonina “tao Kana, tanàna kely any Galilia” izy. Avy eo izy dia niresaka momba ilay ‘tany lemaka lehibe, nantsoina hoe lemak’i Asochis, izay nisy ny tranony.’ (Ny Fiainana, 86 [16]; 207 [41]) Manaporofo izany fa tao Kirbet Kana fa tsy tao Kafr Kanna no nisy an’ilay Kana tany Galilia. Tsy nahitana loharano tao Kirbet Kana, nefa asehon’ireo sisan-javatra rava ao fa nisy lavaka fanangonan-drano tao fahiny. Nahitana vakin-javatra vita tamin’ny tanimanga sy vola madinika koa tao, izay voalaza fa tamin’ny taonjato voalohany.—SARY, Boky Faha-2, p. 738.
Fahiny, dia nisy lalana nandalo tao Kirbet Kana. Nidina nankeo amoron’ny Ranomasin’i Galilia izy io, dia nanaraka ny morontsiraka ary tonga tany Kapernaomy, izay tokony ho 206 m any ambanin’ny haabon’ny ranomasina. Mety tsara àry ilay teny Jn 4:47) Tokony ho 40 km ny halaviran-dalana mampitohy an’i Kana sy Kapernaomy.
hoe “hidina” ho any Kapernaomy. (