Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kanana

Kanana

(Kanàna) [Tany Mpivarotra; Tanin’ny Mpivarotra], Kananita (Kananìta).

1. Zanakalahin’i Hama sady zafikelin’i Noa i Kanana. Ny anarany no voatonona fahefatra amin’ireo zanak’i Hama. (Ge 9:18; 10:6; 1Ta 1:8) Izy no razamben’ireo foko 11 nonina tany amin’ny faritra atsinanan’i Mediterane, eo anelanelan’i Ejipta sy Syria. Izany no nahatonga an’ilay faritra hantsoina hoe “tany Kanana.”​—Ge 10:15-19; 1Ta 16:18; jereo No. 2.

Nozonin’i Noa i Kanana taorian’ilay zava-nitranga tamin’izy mamo. Naminany i Noa fa ho andevon’i Sema sy Jafeta i Kanana. (Ge 9:20-27) Milaza anefa ny Baiboly fa “i Hama, rain’i Kanana” no ‘nahita ny fitanjahan-drainy ka lasa nilaza izany tamin’ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.’ Milaza koa ny Genesisy 9:24 fa rehefa nisava ny hamamoan’i Noa, dia “nanjary fantany izay efa nataon’ny faralahiny [“zanany faralahy”, Prot.] taminy.” Nahoana àry no i Kanana fa tsy i Hama no voaozona? Hoy ny fanamarihana ambany pejin’ny Baibolin’i Rotherham, eo amin’io andininy io: “Azo antoka fa i Kanana, fa tsy i Hama, no voaresaka eto: Notahina i Sema sy Jafeta satria nanaja ray aman-dreny; voaozona kosa i Kanana satria nanao zavatra tsy mendrika na dia tsy fantatra aza hoe inona ilay izy; i Hama indray tsy noraharahaina satria tsy niraharaha an-drainy.” Milaza ny boky jiosy iray fa “miresaka an-kolaka momba ny zavatra mamoafady mety ho nataon’i Kanana” io fitantarana fohy io. (Ny Boky Dimy Voalohany sy Bokin’ny Mpaminany, nataon’i J. Hertz, Londres, 1972, p. 34) Nohazavainy fa mety hidika koa hoe “zafikely” ilay teny hebreo nadika hoe “zanany” eo amin’ny andininy faha-24. Hoy ilay boky avy eo: “Azo inoana fa i Kanana no voaresaka eo.” Milaza koa ny boky iray hafa fa misy mihevitra hoe “nanao firaisana mamoafady tamin’i [Noa]” i Kanana, ary io zanak’i Hama faralahy io no antsoin’ilay andininy hoe “faralahiny.”​—Ireo Boky Dimy Voalohany Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino, nataon’i A. Cohen, Londres, 1956, p. 47.

Tombantombana fotsiny ireo hevitra ireo, satria tsy lazain’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany ny ratsy nataon’i Kanana tamin’i Noa. Toa nanao ratsy ihany anefa izy, satria miresaka tampoka momba azy ilay fitantarana, aloha kelin’ny hiresahana momba an’ilay fahamamoan’i Noa. (Ge 9:18) Rehefa mitantara ny nataon’i Hama koa ny Genesisy, dia antsoiny hoe “Hama, rain’i Kanana” izy. (Ge 9:22) Voalaza ao fa “nahita ny fitanjahan-drainy” izy. Ilazana firaisana amin’olom-pady na firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna matetika, ny hoe ‘mampiharihary’ na ‘mahita ny fitanjahan’ny’ olona iray, ao amin’ny Baiboly. (Le 18:6-19; 20:17) Mety ho nanao zavatra vetaveta na firaisana mamoafady na saika hanao izany tamin’i Noa àry i Kanana, tamin’i Noa tsy nahatsiaro tena. Fantatr’i Hama ilay izy, nefa tsy nisakana an-janany izy na nanasazy azy. Vao mainka aza notantarainy tamin’ireo rahalahiny ilay fanalam-baraka natao tamin’i Noa.

Diniho koa ilay faminaniana nambaran’i Noa, tamin’izy nanozona an’i Kanana. Tsy misy porofo hoe lasa andevon’i Sema sy Jafeta i Kanana, fony fahavelony. Mahalala ny hoavy anefa Andriamanitra sady nampilaza an’i Noa an’ilay ozona. Tsy maintsy misy antony marim-pototra koa matoa tsy faly Andriamanitra. Azo inoana àry fa efa nanana filan-dratsy i Kanana, ka angamba nanaram-po tamin’ny firaisana ara-nofo. Efa tsinjon’Andriamanitra mialoha koa fa hanahaka azy ny taranany, ka ho ratsy ny vokany. Nitovitovy tamin’izany ny nitranga tamin’i Kaina. Efa tsikaritr’i Jehovah fa ratsy ny toe-pony, ka nampitandrina azy izy sao ny ota indray no hifehy azy. (Ge 4:3-7) Efa voamariny koa fa mora voasarika ho amin’ny ratsy ny ankamaroan’ny olona velona talohan’ny Safodrano. Tsy nety nibebaka anefa izy ireo, ka rariny raha naringana. (Ge 6:5) Ny tantaran’ny taranak’i Kanana anefa no tena ahitana fa rariny raha nozonina i Kanana. Tena nalaza ho ratsy fitondran-tena mantsy izy ireo, araka ny hamarinin’ny Baiboly sy ny tantara. Tanteraka ilay ozona natao tamin’i Kanana, 800 taona teo ho eo taorian’ny nilazana azy io. Resin’ny Israelita, taranak’i Sema, mantsy ny taranany. Lasa nofehezin’ny Medianina-Persianina sy ny Grika ary ny Romanina, izay samy taranak’i Jafeta, koa ny Kananita tatỳ aoriana.

2. Antsoina hoe Kanana koa ny taranaky ny zanakalahin’i Hama sy ilay tany nonenan’izy ireo. Ny faritr’i Palestina andrefan’ny Reniranon’i Jordana no nantsoina hoe Kanana, tany am-boalohany. (No 33:51; 35:10, 14) Nanafika ny faritra atsinanan’i Jordana koa anefa ny Amorita ka nanorim-ponenana tany, talohan’ny nandresen’ny Israelita azy ireo.​—No 21:13, 26.

Ny sisin-taniny sy ny tantarany tany am-boalohany. Hatrany Sidona tany avaratra ka hatrany Gerara akaikin’i Gaza tany atsimoandrefana ny sisin-tanin’i Kanana tamin’ny voalohany, ary hatrany Sodoma sy ireo tanàna teny akaikiny tany atsimoatsinanana. (Ge 10:19) Toa tsy anisan’i Kanana intsony anefa i Sodoma sy ireo “tanànan’ny Faritr’i Jordana”, tamin’ny andron’i Abrahama. (Ge 13:12) Toa tsy anisan’i Kanana koa ny tanin’i Edoma sy Moaba tatỳ aoriana, izay nonenan’ny taranak’i Abrahama sy Lota. (Ge 36:6-8; Ek 15:15) Voaresaka amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny Nomery 34:2-12 ny tany Kanana, izay nampanantenaina ny firenen’Israely. Azo inoana fa hatrany avaratr’i Sidona, ka hatrany amin’ny “lohasaha falehan-driakan’i Ejipta” sy Kadesi-barnea tany atsimo ny sisin-taniny. Ny Filistinina, izay tsy Kananita (Ge 10:13, 14), no nonina tany amin’ny morontsiraka atsimon’ny Lemak’i Sarona, izay “noheverina” koa taloha fa anisan’i Kanana. (Js 13:3) Tafiditra tany Kanana koa ny foko hafa, toy ny Kenita (nisy fianakaviana iray tamin’izy ireo nantsoina hoe Midianita tatỳ aoriana; No 10:29; Mpts 1:16) sy ny Amalekita (taranak’i Esao; Ge 36:12).​—Ge 15:18-21; No 14:45.

Tsy resahin’ny Baiboly raha avy hatrany dia nanorim-ponenana tany Kanana ny taranak’i Kanana raha vao niparitaka avy tao Babela (Ge 11:9), na niaraka tamin’ny Hamita hatrany Afrika aloha vao niverina nankany amin’ny faritr’i Palestina. Na ahoana na ahoana, dia efa tany ny Kananita rehefa tonga tany i Abrahama tamin’ny 1943 T.K., taorian’ny nandaozany an’i Harana any Padana-arama. Nifandray tamin’ny Amorita sy Hetita koa izy. (Ge 11:31; 12:5, 6; 13:7; 14:13; 23:2-20) Nampanantena azy imbetsaka i Jehovah Andriamanitra fa homeny ho lovan’ny taranany ilay tany, ka nasainy ‘nandeha nitety ilay tany tamin’ny lavany sy ny sakany’ izy. (Ge 12:7; 13:14-17; 15:7, 13-21; 17:8) Noho io fampanantenana io sy ny ozona nambaran’Andriamanitra tamin’i Kanana, dia tsy vehivavy kananita no nofidin’i Abrahama ho vadin’i Isaka zanany.​—Ge 24:1-4.

Afaka nivezivezy tao amin’ilay tany i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, sy ireo biby fiompiny maro be. Midika izany fa mbola tsy be mponina tany tamin’izany. (Ampit. Ge 34:21.) Hitan’ireo mpikaroka koa fa vitsy sy niparitaka ireo tanàna tany. Saika teny amoron-tsiraka, sy teny amin’ny faritry ny Ranomasina Maty sy ny Lohasahan’i Jordana ary ny Lemak’i Jezirela no tena nisy tanàna. Nilaza i W. Albright fa zara raha nisy mponina teny amin’ireo havoanan’i Palestina, tany am-piandohan’ny taonarivo faharoa T.K. Tena marina àry, hoy izy, ny voalazan’ny Baiboly hoe nivezivezy teny amin’ireo havoanan’i Palestina afovoany sy ireo faritra maina tany atsimo, ireo loham-pianakaviana fahiny. Mbola nalalaka be mantsy ny toerana tany. (Arkeolojia Momba An’i Palestina sy ny Baiboly, 1933, p. 131-133) Toa nofehezin’ny Elamita (anisan’ny taranak’i Sema) i Kanana tamin’izany, araka ny Genesisy 14:1-7.

Nitoby teny akaikin’ireto tanàna ireto i Abrahama sy Isaka ary Jakoba: Sekema (Ge 12:6), Betela sy Ay (Ge 12:8), Hebrona (Ge 13:18), Gerara (Ge 20:1), ary Beri-sheba (Ge 22:19). Toa tsy dia nankahala loatra an’ireo loham-pianakaviana hebreo ireo ny Kananita. Andriamanitra anefa no tena niaro azy ireo, matoa izy ireo tsy nisy nanafika. (Sl 105:12-15) Rehefa avy nanafika an’i Sekema, tanàna hivita, ohatra, ny zanak’i Jakoba dia “nataon’Andriamanitra nihorohoro” ireo tanàna nanodidina, ka “tsy nanenjika ny zanak’i Jakoba ireny.”​—Ge 33:18; 34:2; 35:5.

Milaza ny tantara fa nofehezin’i Ejipta i Kanana nandritra ny 200 taona teo ho eo, talohan’ny nandresen’ny Israelita azy. Nandefa hafatra (antsoina hoe Takelaka Hita tao Amarna) ho an’i Farao Amenofisy III sy Akhenaton ireo mpitondra nofeheziny tany Syria sy Palestina, tamin’izany fotoana izany. Nilaza izy ireo fa maro be ireo tanàna niady ary nanjaka ny adilahy politika. Nisy tanàna fanjakana maromaro tao Kanana, tamin’ny Israely tonga teo amin’ny sisin-taniny (1473 T.K.). Niray hina ihany anefa ireny fanjakana kely ireny, arakaraka ny fifandraisan’ireo foko. Hitan’ireo mpitsikilo nirahina hijery taratra an’ilay tany, efa ho 40 taona talohan’izay, fa namokatra be izy io ary voaro mafy ireo tanànany.​—No 13:21-29; ampit. De 9:1; Ne 9:25.

Toerana nonenan’ireo foko kananita. Tamin’ireo foko kananita 11 (Ge 10:15-19), dia toa ny Amorita no foko lehibe indrindra. (Jereo AMORITA.) Lasan’izy ireo ny faritra atsinanan’i Jordana tany Basana sy Gileada. Voalaza koa fa maro be izy ireo teny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Kanana, tany avaratra sy tany atsimo. (Js 10:5; 11:3; 13:4) Ny Hetita no foko lehibe indrindra nanarakaraka. Tany Hebrona tany atsimo no nisy ny Hetita, tamin’ny andron’i Abrahama. (Ge 23:19, 20) Toa tany avaratra, tany akaikin’i Syria, anefa no tena nahitana azy ireo, tatỳ aoriana.​—Js 1:4; Mpts 1:23-26; 1Mp 10:29.

Ankoatra azy ireo, dia ny Jebosita sy ny Hivita ary ny Girgasita no foko voatonona matetika indrindra, nandritra ny fotoana nanafihan’ny Israelita. Teny amin’ny faritra be tendrombohitra nanodidina an’i Jerosalema no tena nisy an’ireo Jebosita. (No 13:29; Js 18:16, 28) Ny Hivita indray niparitaka tany atsimo, hatrany Gibeona (Js 9:3, 7) ka hatreo am-pototry ny Tendrombohitra Hermona tany avaratra. (Js 11:3) Tsy fantatra kosa hoe taiza no faritra nonenan’ny Girgasita.

Mety ho nantsoina hoe “Kananita” koa ireo foko enina ambiny, dia ny Sidonianina, ny Arvadita, ny Hamatita, ny Arkita, ny Sinita, ary ny Zemarita. Ampiarahina amin’ny anarana foko hafa matetika ilay teny hoe Kananita, na ilazana fotsiny an’ireo tanàna nisy Kananita samy hafa fiaviana. (Ek 23:23; 34:11; De 7:1; No 13:29) Toa tany avaratr’ilay faritra lasan’ny Israelita no nisy an’ireo foko enina ireo, ka tsy voaresaka ao amin’ilay fitantarana momba ny fandresen’ny Israelita izy ireo.

Azon’ny Israelita i Kanana. (SARINTANY, Boky 1, p. 737, 738) Nanandrana niditra tao Kanana avy any atsimo ny Israelita, ny taona faharoan’ny nanafahana azy ireo avy tany Ejipta. Tsy nampian’Andriamanitra anefa izy ireo, ka vaky nandositra nanoloana ny Kananita sy ny Amalekita. (No 14:42-45) Nanakaiky an’i Kanana indray ny Israelita rehefa hifarana ireo 40 taona nivezivezeny tany an-tany efitra, ka notafihin’ny mpanjakan’i Arada tany Negeba izy ireo. Resiny anefa ny tafika kananita tamin’izay, ary noravany ny tanànany. (No 21:1-3) Tsy nanohy ny fanafihany avy tany atsimo avy eo ny Israelita fa niantsinanana kosa, ka nifanandrina tamin’i Sihona sy Oga mpanjaka amorita. Resin’ny Israelita ireo mpanjaka ireo, ka lasany i Basana sy Gileada manontolo, anisan’izany ny tanàna 60 “misy manda avo sy vavahady misy bara hidiny” tany Basana. (No 21:21-35; De 2:26–3:10) Tsy nanana herim-po hiadiana intsony ireo fanjakana kananita tany andrefan’i Jordana, rehefa reny fa resy ireo mpanjaka natanjaka ireo. Vao mainka ‘nihorohoro ny fony’ rehefa reny koa fa niampita an’i Jordana tamin’ny fomba mahagaga ny firenen’Israely. Tsy sahy nanafika ny tobin’ny Israelita tao Gilgala àry izy ireo, na taoriana kelin’ny namorana ny ankamaroan’ny lehilahy israelita, na nandritra ny fankalazana ny Paska.​—Js 2:9-11; 5:1-11.

Mora kokoa tamin’ny Israelita nitoby tao Gilgala izao ny nanafika an’ilay tany. Ampy tsara mantsy ny ranon’izy ireo, satria teo akaiky teo i Jordana. Ampy tsara koa ny sakafo, satria efa resiny ny faritra atsinanan’i Jordana. I Jeriko, tanàna nisy toby miaramila teo akaiky teo, no notafihin’izy ireo voalohany. Nohidiana mafy ilay tanàna nefa rava ihany ireo mandany lehibe, noho ny herin’i Jehovah. (Js 6:1-21) Niakatra teny amin’ny faritra be tendrombohitra avaratr’i Jerosalema, tany amin’ny 1000 m tany ho any, ireo mpanani-bohitra avy eo. Resin’i Ay izy ireo tamin’ny voalohany, nefa resiny ihany i Ay ka nodorany. (Js 7:1-5; 8:18-28) Nivondrona hiady tamin’ny Israelita ireo fanjakana kananita. Nisy tanàna hivita kosa nampiasa tetika mba hihavanana tamin’ny Israelita. Tsy iza izany fa i Gibeona sy ny tanàna telo teo akaikiny. Mpamadika tanindrazana sady nampisara-bazana no fiheveran’ireo fanjakana kananita hafa azy ireo. Nivondrona hiady tamin’ny Gibeonita, fa tsy tamin’ny Israely, àry ny mpanjaka kananita dimy. Soa ihany fa tonga hamonjy an’ireo Gibeonita ny miaramila israelita notarihin’i Josoa, izay nandeha an-tongotra nandritra ny alina manontolo. Resin’i Josoa ireo mpanjaka dimy, satria nanao fahagagana Andriamanitra. Nandatsaka havandra lehibe avy any an-danitra izy, ary nataony izay tsy hilentehan’ny masoandro.​—Js 9:17, 24, 25; 10:1-27.

Resin’ny tafika israelita avokoa ny tapany atsimon’i Kanana (ankoatra ny Lemak’i Filistia). Azony ireo tanàna tao amin’ny faritr’i Sefela sy ny faritra be tendrombohitra ary Negeba. Niverina tao an-tobiny tao Gilgala, akaikin’i Jordana, izy ireo avy eo. (Js 10:28-43) Nanomboka nanangona miaramila sy kalesin’ady anefa ireo Kananita notarihin’ny mpanjakan’i Hazora, tany avaratra. Nihaona teo amoron’ny ranon’i Meroma, avaratry ny Ranomasin’i Galilia, izy ireo araka ny fotoana nifanaovany. Notafihin’i Josoa tampoka anefa izy ireo, ka vaky nandositra. Nalainy ny tanànan’izy ireo hatrany Bala-gada tany avaratra, teo am-pototry ny Tendrombohitra Hermona. (Js 11:1-20) Naharitra elaela ny fanafihana an’ilay tany. Niady tamin’ireo Anakita goavam-be teny amin’ny faritra be tendrombohitra tany atsimo i Josoa taorian’izay.​—Js 11:21, 22; jereo ANAKITA.

Efa enin-taona teo ho eo izay no nanombohan’ilay fanafihana an’i Kanana. Ampahany lehibe tamin’ilay tany no efa azo, ary nihena ny herin’ireo foko kananita. Afaka nanomboka nifampizara an’ilay tany àry ireo foko israelita. (Jereo SISIN-TANY.) Na izany aza, dia mbola betsaka ny faritra tsy azon’izy ireo. Anisan’izany ny tanin’ny Filistinina. Tsy Kananita izy ireo nefa nalainy ny tany nampanantenaina ny Israelita. Teo koa ny tanin’ny Gesorita (ampit. 1Sa 27:8), ny faritra nanodidina an’i Sidona hatrany Gebala (Byblos), ary ny faritr’i Libanona manontolo (Js 13:2-6). Nisy antokon’olona nanohitra an’ireo Israelita koa tany amin’ny toerana samy hafa tao amin’ilay tany. Resin’ireo foko israelita ihany ny sasany tamin’ireny, tatỳ aoriana. Nisy koa anefa tsy resy mihitsy, na navela hipetraka tao amin’ilay tany ihany saingy nampanaovina asa an-terivozona.​—Js 15:13-17; 16:10; 17:11-13, 16-18; Mpts 1:17-21, 27-36.

Marina fa maro ny Kananita tsy maty sy tsy nanaiky hofehezin’ny Israelita. Azo lazaina anefa hoe “nomen’i Jehovah ny Israely ilay tany manontolo izay efa nianianany homena ny razan’izy ireo.” Nataony “mandry feizay teo anivon’ny fahavalony rehetra nanodidina” koa izy ireo, ary “tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’i Jehovah tamin’ny taranak’Israely, fa tanteraka avokoa izy rehetra.” (Js 21:43-45) Natahotra an’ireo Israelita ny firenena rehetra nanodidina azy, ka tsy natahorana hanafika. Efa nilaza Andriamanitra fa horoahiny “tsikelikely” ny Kananita, sao ho lao tampoka ilay tany ka hihamaro ny bibidia ao. (Ek 23:29, 30; De 7:22) Marina fa arifomba kokoa ny fitaovam-piadian’ny Kananita, toy ny kalesin’ady misy lelan’antsy. Tsy i Jehovah mihitsy anefa no tokony homen-tsiny hoe tsy nanatanteraka ny fampanantenany, matoa tsy resin’ny Israelita ny faritra sasany tao Kanana. (Js 17:16-18; Mpts 4:13) Noho izy ireo nivadika taminy kosa no nahatonga azy ireo ho resy indraindray.​—No 14:44, 45; Js 7:1-12.

Nahoana i Jehovah no nandidy ny handringanana tanteraka ny Kananita?

Milaza ny Baiboly fa naripaky ny Israelita tanteraka ny mponina tao amin’ireo tanàna kananita resiny. (No 21:1-3, 34, 35; Js 6:20, 21; 8:21-27; 10:26-40; 11:10-14) Nilaza àry ny mpitsikera sasany fa feno habibiana sy vonoan’olona tsy misy indrafo, ny tantara ao amin’ny Soratra Hebreo na ny “Testamenta Taloha.” Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe eken’ny olona sa tsia ny zon’Andriamanitra hitondra ny tany sy ny mponina eo aminy. Nomen’Andriamanitra zo haka ny tany Kanana ny ‘taranak’i Abrahama’, ary efa nianiana sy nanao fifanekena tamin’i Abrahama momba izany Izy. (Ge 12:5-7; 15:17-21; ampit. De 32:8; As 17:26.) Tsy ny handroaka an’ireo mponina tao fotsiny anefa no fikasan’Andriamanitra. “Mpitsara ny tany manontolo” (Ge 18:25) izy ka zony ny mamaritra hoe iza no mendrika homelohina ho faty. Zony koa ny mampanan-kery sy mampihatra ny didim-pitsarany.

Rariny raha nanozona an’i Kanana Andriamanitra, rehefa jerena ny toe-piainana tany Kanana tamin’ny Israelita nandresy an’ilay tany. Efajato taona izay no lasa hatramin’ny andron’i Abrahama, ary efa ‘nahatratra ny fara tampony ny fahadisoan’ny Amorita.’ (Ge 15:16) Efa tena ratsy fitondran-tena ny Kananita tamin’ny andron’i Isaka sy Rebeka. ‘Nangidy ny fiainan’izy mivady’ noho ny amin’ireo Hetita vadin’i Esao, ka ‘halan’i Rebeka mihitsy ny fiainany.’ (Ge 26:34, 35; 27:46) Nanjaka tany Kanana ny fanompoan-tsampy sy ny fitondran-tena maloto ary ny vonoan’olona, nandritra ny taonjato maro. Tena ratsy fitondran-tena ireo mpivavaka kananita. Sarina filahiana mantsy no nataony ‘tsato-kazo masina’ sy ‘tsangam-bato masina’, ary fanaranam-po tamin’ny firaisana ara-nofo sy fanao mamoafady ny fombafomba maro teny amin’ny “toerana avo.” (Ek 23:24; 34:12, 13; No 33:52; De 7:5) Anisan’ny “fanaon’ny tany Kanana” ny firaisana amin’olom-pady sy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ary ny firaisana amin’ny biby. Nanjary naloto àry ilay tany, ka ‘haloany ny mponina ao aminy’ noho ny fahadisoan’izy ireo. (Le 18:2-25) Anisan’ny zava-maharikoriko fanaon’ny Kananita koa ny fampiasana herin’ny maizina sy ny ozona famosaviana, ary ny fandoroana ny zanany ao anaty afo.​—De 18:9-12.

Tsangambato masina sy latabatra fanaovana sorona hita tao Hazora. Mety ho fangatahana natao tamin’ny andriamanitra volana ilay sary eo amin’ny tsangambato afovoany

I Bala no andriamanitra lehibe indrindra nivavahan’ny Kananita. (Mpts 2:12, 13; ampit. Mpts 6:25-32; 1Mp 16:30-32.) Misy soratra ejipsianina milaza fa andriamanibavy reny i Astarta (Mpts 2:13; 10:6; 1Sa 7:3, 4) sy Aseraha ary Anata, izay nivavahan’ny Kananita. Voalaza ao hoe mpivaro-tena masina izy ireny, nefa koa virjiny mandrakizay (a.b.t.: ireo andriamanibavy lehibe mitoe-jaza nefa tsy miteraka). Toa nanao firaisana tamin’ireo mpivaro-tena tao amin’ny tempoly ireo nivavaka tamin’izy ireny. Tsy hoe nanaram-po tamin’ny filan’ny nofo fotsiny, hono, ireny andriamanibavy ireny, fa nanao herisetra feno habibiana sady tia ady koa. Resahin’ny Tantaran’i Bala hita tany Ogarita, ohatra, fa nandripaka olona maro be i Anata andriamanibavy. Nataony toy ny firavaka avy eo ny lohan’ireo olona novonoiny, ary nafatony tamin’ny fehikibony ny tanan’izy ireo sady faly erỳ izy niroboka tao anatin’ny ran’izy ireo. Vehivavy mitanjaka manana fivaviana ngezabe kosa ireo sarivongan’i Astarta andriamanibavy hita tany Palestina. Hoy ilay mpikaroka atao hoe W. Albright momba ireo mpivavaka tamin’ny sarin’ny filahiana: “Azo antoka fa nikororosy be ny fiaraha-monina nisy azy ireo, noho ny fanindrahindrany ny firaisana ara-nofo.”​—Ny Arkeolojia sy ny Fivavahan’ny Israely, 1968, p. 76, 77; jereo ASTARTA; BALA No. 7.

Nataon’ny Kananita sorona koa ny zanany, ka nodorany tao anaty afo. Hoy i Merrill Unger momba ny zavatra hitan’ireo mpikaroka: “Nahitana antontan-davenona sy sisan-taolan-jazakely tany Palestina, teny amin’ny fasana nanodidina ny alitaran’ny mpanompo sampy. Porofo izany fa niely patrana io fanao tsy mifaditrovana io.” (Ny Arkeolojia sy ny Testamenta Taloha, 1964, p. 279) Hoy koa ny Boky Ara-baiboly Nosoratan’i Halley (1964, p. 161): “Fomban’ny Kananita ny nanao sorona ny zanany voalohany sy nanaram-po tamin’ny firaisana, rehefa nanompo ny andriamaniny. Toa an’i Sodoma sy Gomora ilay tany manontolo. ... Mbola nanan-jo hisy ihany ve ny firenena nanao zava-maharikoriko sy habibiana toy izany? ... Manontany tena ireo nanao fikarohana tany amin’ny tanàna kananita efa ravarava hoe nahoana Andriamanitra no tsy nandringana azy ireo taloha kokoa.”​—SARY, Boky 1, p. 739.

I Jehovah no Mpanjakan’izao rehetra izao, ka zony ny nandringana ny ratsy fanahy rehetra tetỳ ambonin’ny tany tamin’ny Safodrano. Zony koa ny nandrava an’ilay faritra manontolo nisy ny tanànan’i Sodoma sy Gomora, satria ‘tena mafy tokoa ny fitarainana momba azy ireo, ary tena navesatra ny fahotany.’ (Ge 18:20; 19:13) Naringany tao amin’ny Ranomasina Mena ny tafik’i Farao, ary naripany ny ankohonan’i Kora sy ireo Israelita hafa mpikomy. Nampiasa ny herin’ny natiora Andriamanitra tamin’izany rehetra izany. Ny Israelita kosa anefa no nanankinany an’ilay adidy masina hampihatra ny didim-pitsarany tamin’ny Kananita. Nitarika azy ireo ny anjeliny, ary nampiasa ny heriny lehibe Izy hanampiana azy ireo. (Ek 23:20-23, 27, 28; De 9:3, 4; 20:15-18; Js 10:42) Ho nitovy ihany ny vokany ho an’ny Kananita, raha nifidy ny hampiasa safodrano na afo na horohoron-tany Andriamanitra mba handringanana azy ireo. Olombelona anefa teto no nofidiny handringana an’ireo firenena nomelohiny ho faty ireo. Tsy dia nahafinaritra loatra angamba ny nanatanteraka an’ilay asa nampanaoviny, kanefa ara-drariny ny didim-pitsarany. (Je 48:10) Nampiharihary ny herin’i Jehovah sy ny maha Andriamanitra azy, ny nampiasany ny Israelita mba hiady tamin’ireny “firenena fito be mponina sady mahery” noho izy ireo ireny.​—De 7:1; Le 25:38.

Fantatry ny Kananita tsara fa vahoaka nofidin’Andriamanitra sy nampiasainy ny Israelita. (Js 2:9-21, 24; 9:24-27) Tsy nitalaho famindram-po na nitady fomba handosirana toa an-dry Rahaba mianakavy sy ny Gibeonita anefa ireo firenena voatokana haringana ireo. Nifidy ny hanamafy ny fony kosa izy ireo, ka nikomy tamin’i Jehovah. Tsy noteren’Andriamanitra hankatò azy sy hanao ny sitrapony izy ireo, fa ‘navelany hikiribiby mba hiadian’izy ireo amin’ny Israely. Amin’izay dia hatokana haringana izy ireo ka tsy hahazo indrafo, fa haripaka tanteraka’, araka ny didim-pitsarana efa navoaka.​—Js 11:19, 20.

Hendry i Josoa, ka “tsy nisy nanesorany na iray aza ny teny rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy” mahakasika ny handringanana an’ireo Kananita. (Js 11:15) Tsy narahin’ny firenen’Israely anefa ny tari-dalany, ary tsy naringan’izy ireo tanteraka ireo mponina nandoto an’ilay tany. Nitondra fahavoazana ho azy ireo àry ny fisian’ny Kananita teo anivony. Tsy hoe niely fotsiny mantsy ny heloka bevava sy ny fitondran-tena maloto ary ny fanompoan-tsampy, fa be kokoa no maty tamin’izy ireo. Ho vitsy kokoa anefa izany raha narahiny an-tsakany sy an-davany ilay didin’Andriamanitra hoe haripaka tanteraka ny Kananita. (No 33:55, 56; Mpts 2:1-3, 11-23; Sl 106:34-43) Nampitandrina ny Israelita i Jehovah fa manao ny rariny sy tsy miangatra izy rehefa mampihatra ny didim-pitsarany. Nilaza àry izy fa haringany koa izy ireo ka ‘haloan’ilay tany’, raha mifanerasera amin’ny Kananita, mifanambady aminy, manompo ny andriamaniny, ary manaraka ireo fombafomba sy fanaony maharikoriko.​—Ek 23:32, 33; 34:12-17; Le 18:26-30; De 7:2-5, 25, 26.

Milaza ny Mpitsara 3:1, 2 fa navelan’i Jehovah ao amin’ilay tany ny firenena kananita sasany “mba hitsapana ny Israelita, izany hoe izay rehetra mbola tsy nahita ny ady natao tany Kanana. Navelany teo ireo satria tiany hahita an’izany hoe ady izany ny taranaky ny zanak’Israely, izay mbola tsy nandia an’izany, mba hampianarana azy hiady.” Tsy mifanipaka amin’izany akory ny voalazan’ny Mpitsara 2:20-22 hoe navelan’i Jehovah tao amin’ilay tany ny Kananita satria nivadika taminy ny Israely, ary tiany ‘hotsapaina izy ireo raha hanaraka ny lalany, na tsia.’ Afaka nampiseho tsara àry ireo Israelita velona tatỳ aoriana kokoa, raha hankatò ny didin’Andriamanitra momba an’ireo Kananita izy ireo na tsia. Notsapaina ny finoany, rehefa nanao vivery ny ainy izy ireo mba hanaporofoana fa mpankatò.

Tsy mitombina àry ny filazan’ny mpitsikera sasany hoe mifanohitra amin’ny fampianarana ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny nandringanan’ny Israelita an’ireo Kananita. Jereo koa ny Matio 3:7-12; 22:1-7; 23:33; 25:41-46; Marka 12:1-9; Lioka 19:14, 27; Romanina 1:18-32; 2 Tesalonianina 1:6-9; 2:3; ary Apokalypsy 19:11-21.

Tantarany tatỳ aoriana. Azo lazaina ho niara-niaina tamim-pilaminana tamin’ny Kananita ihany ny Israelita taorian’ny nahazoan’izy ireo an’ilay tany, na dia tsy nahasoa azy ireo aza izany fifaneraserana izany. (Mpts 3:5, 6; ampit. Mpts 19:11-14.) Nofehezin’ny Syrianina sy ny Moabita ary ny Filistinina ny Israelita, nandritra ny fotoana kelikely. Nihanatanjaka indray ny Kananita tamin’ny andron’i Jabina “mpanjakan’i Kanana”, ka nampahoriany 20 taona ny Israelita. (Mpts 4:2, 3) Resin’i Baraka ihany anefa i Jabina. Ireo firenena tsy Kananita, toy ny Midianita sy ny Amonita ary ny Filistinina, indray no tena nila sotasota tamin’ny Israelita taorian’izay. Ny Amorita no hany foko kananita voaresaka kely, tamin’ny andron’i Samoela. (1Sa 7:14) Ny Jebosita kosa noroahin’i Davida Mpanjaka hiala tao Jerosalema. (2Sa 5:6-9) Ny Filistinina, ny Amonita, ny Moabita, ny Edomita, ny Amalekita, ary ny Syrianina anefa no tena niadiany. Tsy natahorana hanafika an’ireo Israelita intsony àry ny Kananita, na dia mbola nanana tanàna sy tany (2Sa 24:7, 16-18) tao amin’ny faritanin’ny Israely aza. Nisy miaramila hetita roa tao amin’ny tafik’i Davida.​—1Sa 26:6; 2Sa 23:39.

Nampanaovin’i Solomona Mpanjaka asa an-terivozona ireo foko kananita sisa tavela, ka nampiasainy tamin’ny tetikasa fanorenana maro (1Mp 9:20, 21) hatrany Hamata, tanàna kananita tany amin’ny farany avaratra. (2Ta 8:4) Nanimba an’i Solomona anefa ireo vehivavy kananita nalainy ho vady, ka voatery namoy ny ampahany lehibe tamin’ilay fanjakany ny mpandova azy. Lasa nanompo sampy koa ilay firenena. (1Mp 11:1, 13, 31-33) Toa ny Hetita ihany no foko tena nalaza sy natanjaka, nanomboka tamin’ny andron’i Solomona (1037-998 T.K.) ka hatramin’ny andron’i Jorama mpanjakan’ny Israely (t. 917-905 T.K.). Tany avaratry ny faritanin’ny Israely anefa no nisy azy ireo, izany hoe tany Syria na teny akaikiny.​—1Mp 10:29; 2Mp 7:6.

Mbola nanambady Kananita ihany ireo Israelita avy tany an-tsesitany tany Babylona. (Ezr 9:1, 2) Nanjavona tsikelikely anefa ireo fanjakana kananita, anisan’izany ny an’ny Hetita, noho ny fanafihan’ny Syrianina sy ny Asyrianina ary ny Babylonianina. Nanjary niantsoana an’i Fenisia ny hoe “Kanana” tatỳ aoriana, toy ilay hita ao amin’ny faminanian’i Isaia momba an’i Tyro. (Ampit. Is 23:1, 11, Prot.) Resahin’ny Matio 15:22 fa nisy vehivavy “fenisianina” iray avy any amin’ny faritr’i Tyro sy Sidona nanatona an’i Jesosy. Midika ara-bakiteny koa hoe “kananita” [gr: Kananaia] ilay hoe “fenisianina” eo.​—Ampit. Mr 7:26.

Nitana toerana lehibe teo amin’ny sehatry ny varotra sy ny politika. Teo anelanelan’i Ejipta sy Azia, indrindra fa i Mezopotamia, i Kanana. Ny fambolena sy fiompiana no tena loharanon-karenany. Nitana toerana lehibe koa anefa ny varotra. Lasa foibe ara-barotra ny seranan-tsambon’i Tyro sy Sidona, ary nalaza be ny sambon’ireo tanàna ireo. (Ampit. Ezk 27.) Lasa nidika hoe “mpivarotra” àry ny hoe “Kananita” tamin’ny andron’i Joba, ary toy izany rahateo no nandikana azy. (Jb 41:6; Ze 1:11; mariho koa fa antsoina hoe “Kanana” i Babylona, Ezk 17:4, 12.) Tsara toerana tokoa àry i Kanana tao amin’ilay faritra lonaka miendrika volan-tsinana (Croissant fertile), ka nitady hahazo azy io ireo fanjakana lehibe tany Mezopotamia sy Azia Minora ary Afrika. Tian’izy ireo hofehezina mantsy ny lalana fivezivezen’ireo miaramila sy entam-barotra teo amin’ny sisin-tanin’i Kanana. Tsy maintsy ho nisarika ny sain’ireo firenena àry ny nametrahan’Andriamanitra an’ilay vahoaka voafidiny tao amin’io tany io, ka hisy vokany lehibe izany any aoriana. Azo lazaina ho ‘nonina teo afovoan’ny tany’ ny Israelita, tsy tamin’ny heviny ara-bakiteny ihany fa teo amin’ny sehatry ny fivavahana koa indrindra indrindra.​—Ezk 38:12.

Fiteny. Milaza ny Baiboly fa taranak’i Hama ny Kananita. Ny ankamaroan’ireo boky kosa anefa milaza fa taranak’i Sema izy ireo. Nampiasa teny semitika mantsy, hono, ny Kananita. Nahitana takelaka maro be misy soratra amin’ny teny na tenim-paritra semitika, ohatra, tany Ras Shamra (Ogarita), ary heverina fa efa tamin’ny taonjato faha-14 T.K. izy ireo. Toa tsy anisan’ilay Kanana resahin’ny Baiboly anefa i Ogarita. Nilaza i A. Rainey ao amin’ilay boky hoe Ny Mpikaroka Momba ny Baiboly (1965, p. 105) fa “tsy mety mihitsy ny iantsoana an’i Ogarita hoe tanàna ‘kananita’”, na eo amin’ny lafiny firazanana izany, na politika, na fiteny koa angamba. Nanazava koa izy fa “samy hafa i Ogarita sy Kanana, ary samy nanana ny rafi-pitondrany.” Tsy tena ahafahana mamantatra ny fitenin’ny Kananita àry ireo takelaka ireo.

Avy tamin’ny mpitondra tany amin’ny tanàna samihafa tany Kanana ny ankamaroan’ireo Takelaka Hita tao Amarna tany Ejipta, ary saika natao tamin’ny soratra miendri-pantsika akadianina (teny semitika) izy rehetra. Izany mantsy no fiteny nifandraisan’ireo fanjakana tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, ka izany koa no nampiasaina rehefa nanoratra tamin’ny mpitondra ejipsianina. Tsara homarihina àry ny voalazan’ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny hoe: “Ahariharin’ireo Takelaka Hita tao Amarna fa efa hatry ny ela no nisy olona tsy anisan’ny taranak’i Sema nanorim-ponenana tany Palestina sy Syria. Nisy teny tsy semitika be dia be nampiasaina mantsy tao amin’ireo takelaka ireo.” (nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky 1, p. 495; izahay no manao sora-mandry.) Mbola tsy tena fantatra àry hatramin’izao hoe inona no fiteny nampiasain’ireo mponin’i Kanana tany am-boalohany.

Marina aloha fa toa afaka nifampiresaka tsara tamin’ny mponin’i Kanana ry Abrahama sy ny taranany, fa tsy nila mpandika teny, raha jerena ny Baiboly. Efa nanana anarana semitika koa ny ankamaroan’ireo tanàna azon’ny Israelita, na dia nisy ihany aza tsy toy izany. Nantsoina tamin’ny anarana (na anaram-boninahitra) semitika hoe “Abimeleka” (Ge 20:2; 21:32; Sl 34:t.m.) anefa ny mpanjaka filistinina, tamin’ny andron’i Abrahama sy Davida, na dia tsy anisan’ny taranak’i Sema aza ny Filistinina. Toa tsy nampiasa fiteny hamitika intsony àry ireo foko kananita, taonjato vitsivitsy taorian’ny nampisafotofotoana ny fiteny tany Babela (Ge 11:8, 9), fa nampiasa fiteny semitika. Noho izy ireo nifandray akaiky tamin’ireo firenena niteny aramianina tany Syria, izay nofehezin’i Mezopotamia, angamba no anton’izany, na noho ny antony hafa tsy fantatra. Efa nisy firenena fahiny hafa koa niova fiteny toy izany. Taranak’i Jafeta (tany Inde sy Eoropa), ohatra, ny Persianina, nefa fiteny sy soratra semitika sy aramianina no nampiasainy tatỳ aoriana.

Mety ho ny teny hebreo, izay fiteny ofisialy tao amin’ilay tany, àry ilay “fitenin’i Kanana” resahin’ny Isaia 19:18 (taonjato fahavalo T.K.).