Kananeanina
(Kananeànina) [avy amin’ny teny aram., ary midika hoe “Mafana Fo; Marisika”].
Teny nampiasaina mba hanavahana ny apostoly Simona tamin’ny apostoly Simona Petera. (Mt 10:4; Mr 3:18) Heverina fa avy amin’ny teny aramianina ilay hoe “Kananeanina”, ary azo inoana fa mitovy hevitra amin’ilay teny grika hoe zelôtes izay midika hoe “Mafana Fo; Marisika.”—Lk 6:15; As 1:13.