Kankana
[Heb.: tôhleʽah na tôhlaʽat].
Biby lavalava mikisaka na mandady, malemilemy ny ankamaroany, ary tsy misy tongotra na zara raha misy. Matetika koa no ilazana olitra miofo ho bibikely (Ek 16:20, 24; Is 14:11; 66:24) ny teny hebreo midika hoe “kankana” ao amin’ny Baiboly. Miresaka kankana mpihinana zava-maitso koa izy io indraindray.—De 28:39; Jo 4:7.
Manana heviny an’ohatra koa ny hoe “kankana.” Nambanin’i Bildada ny olona satria nolazainy fa kankana. (Jb 25:6) Ho henatra ho an’ny olona sy hohamavoina toy ny kankana koa ny Mesia. (Sl 22:6) Noharin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny kankana tsy misy vidiny sy tsy afa-manoatra ka azon’ny mpandalo anaovana izay tiany ny Israely. Nampahery sy nanome toky azy ireo anefa Izy fa hanampy azy ka tsy nisy tokony hatahorany.—Is 41:14.