Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kaoda

Kaoda

(Kôda).

Nosy tany atsimoandrefan’ny morontsirak’i Kreta, ary nolalovan’ny apostoly Paoly sy Lioka tamin’izy ireo ho any Roma (t. 58). Niainga tao amin’ny Seranana Kanto ny sambo nitondra azy ireo, ary nanaraka ny morony atsimo tamin’i Kreta. Rehefa avy nihodidina ny Tanjona Matala ilay sambo, dia nopaohin’ny tafio-drivotra, izay natahorana hampidona azy tamin’ny dongom-pasika mandrevo teny amin’ny morontsirak’i Afrika Avaratra. Nanaraka ny morony tsy azon-drivotra tamin’ny “nosy kely atao hoe Kaoda” anefa izy ireo. Tony kokoa ny rano tany amin’ny morontsiraka atsimoandrefana, satria takon’ilay nosy ny herin’ny rivotra. Afaka nampakatra ny lakana famonjena aina àry ny tantsambo, sady azon’izy ireo nofehezina ny fanambanin’ilay sambo mba hanamafisana azy io. Afaka nampidina ireo tady nihazona ny lay koa izy ireo.​—As 27:13-17.

Gavdos ankehitriny no anaran’ilay nosy Kaoda noresahin’i Lioka. Mirefy 11 km ny lavany ary 5 km ny sakany. Tokotokony ho 65 km any andrefana atsimoandrefan’ny Seranana Kanto no misy azy.