Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kapadokia

Kapadokia

(Kapadòkìa).

Faritra nidadasika afovoan-tany, tany amin’ny ilany atsinanan’i Azia Minora, tamin’ny andron’ny apostoly. Tsy dia nisy ala tany, ary mazàna no nangatsiaka ny toetany. Teo ambony lembalemba izy io ary 900 m ny haavon’ny ankamaroan’ilay faritra. Na niovaova foana aza ny sisin-tanin’i Kapadokia, nandritra ny tantara, dia ireto avy no nanodidina azy: I Ponto tany avaratra, i Galatia sy Lykaonia tany andrefana, i Kilikia sy ny Tendrombohitra Taurus tany atsimo, ary tany atsinanana i Armenia sy ny faritra avo toerana iandohan’ny Reniranon’i Eofrata. Nidadasika be ny toerana firaofan’ny ondry ahitra, ary be omby sy soavaly tsara koa tany. Tena namokatra varimbazaha tany.

Nofehezin’ny Fanjakana Persianina i Kapadokia, tamin’ny andron’i Kyrosy. Nizara ho faritany roa izy io taloha: Ny faritanin’i Ponto sy Kapadokia. Rehefa nitondra an’i Syria ireo tarana-mpanjaka avy tamin’i Séleucus, dia navelany hitondra ihany ny mpanjakan’ireo faritra nozanahina. Nanova izany anefa i Tiberio mpanjaka romanina tamin’ny taona 17: Lasa faritany romanina i Kapadokia, ka governora no nifehy azy. Nitarin’i Vespasien ilay faritany tamin’ny taona 70, ka nakambany tamin’i Armenia. Io faritany io àry no lasa sisin-tany romanina tany atsinanana. Tena tsara toerana i Kapadokia noho ireo lalana namakivaky an’ilay faritra. Iray amin’ireny lalana ireny ilay avy any Tarsosy any Mediterane, mandalo eo amin’ilay antsoina hoe Vavahadin’i Kilikia (hadilanana eo amin’ny Tandavan-tendrombohitra Taurus), izay lalana mampifandray an’i Kapadokia sy ny faritanin’i Ponto, ary ireo seranana any amin’ny Ranomasina Mainty.

Toa Aryanina (taranak’i Jafeta) ny olona avy any Kapadokia, kanefa nisy Jiosy nonina tany tamin’ny taonjato faharoa T.K. Anisan’ireo tonga tao Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33 ny Jiosy avy any Kapadokia. (As 2:9) Azo inoana fa izany no nahatonga ny Fivavahana Kristianina hiely hatrany Kapadokia efa hatramin’ny ela. Anisan’ireo notononin’i Petera tao amin’ny taratasiny voalohany ny Kristianina tany Kapadokia.​—1Pe 1:1.