Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Karama

Karama

Vola omena ny mpiasa, na tambin’ny asa na raharaha vitany. (Le 19:13) Mampiasa olona karamaina ny hoe ‘manakarama.’ (Mt 20:1) Azo lazaina hoe “karama” koa ny ‘hofa’ (Ek 22:14, 15; As 28:30) sy “valisoa.” Mety hidika hoe “valisoa” koa ny “karama.” I Ejipta, ohatra, no karama na valisoa nomen’i Jehovah an’i Nebokadrezara (Nebokadnezara) Mpanjaka noho izy nandrava an’i Tyro, ka azony norobaina ny harenan’i Ejipta rehetra. (Ezk 29:18, 19; jereo koa Rt 2:12; Is 61:8; 62:11.) Tanteraka ny Zakaria 11:12 rehefa nomen’ny mpisorona farantsa volafotsy 30 (66 dolara raha sekely) i Jodasy Iskariota, ho ‘karamany’ noho izy namadika an’i Jesosy Kristy. (Mt 26:14-16; 27:3-10; As 1:18; jereo KOLIKOLY, TSOLOTRA.) Ilazana “valin’ny natao” koa ny hoe “tamby.” “Fahafatesana no tambin’ny ota.”​—Ro 6:23; jereo koa Sl 109:20; Is 65:6, 7.

Tsy vola na volafotsy ihany ny karama (2Ta 24:11, 12; 25:6) fa biby fiompy, vokatry ny tany, sy ny toy izany koa. Karaman’i Jakoba noho izy niasa 14 taona i Lea sy Rahely izay samy lasa vadiny. Karamany tamin’izy niasa enin-taona fanampiny kosa ny ampahany tamin’ny andiam-bibin’i Labana. (Ge 29:15, 18, 27; 31:41) ‘Nokaramain’i’ Lea hanao firaisana taminy i Jakoba, satria nomeny an’i Rahely ny angivimbazaha hitan-janany. Nolazainy hoe “karama” àry ilay zazalahy naterany taorian’izay. (Ge 30:14-18) Denaria iray (0,74 dolara) isan’andro ny karaman’ny mpamboly, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany.​—Mt 20:2.

Notakin’ny Lalàna ny handoavana ny karaman’ny mpiasa ny androtr’iny. (Le 19:13; De 24:14, 15) Melohin’ny Soratra Masina ireo manambaka mpiasa ka tsy mandoa ny karamany.​—Je 22:13; Ml 3:5; Jk 5:4.

Mila jerena tsara raha mahay ilay olona karamaina, satria hoy ny Ohabolana 26:10: “Izay manakarama ny tsisy saina na manakarama ny mpandalo, dia toy ny mpandefa zana-tsipìka manatrobaka ny zava-drehetra.”

Toy ny karaman’ireo mahafoy tena hampandroso ny fivavahana marina ny fampiantranoana sy fanampiana azy, araka ilay toro lalana hoe: “Mendrika hahazo ny karamany ny mpiasa.” (Lk 10:7; 1Ti 5:17, 18) Karaman’ny Levita nanompo tao amin’ny toerana masina ny ampahafolon-karena nomen’ny Israelita. (No 18:26, 30, 31) Tsy karama omena ny mpanompon’Andriamanitra kosa ny fanambarana azy ireo ho olo-marina sy ny fiainana mandrakizay, fa fanomezana noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, noho izy ireo mino ny sorom-panavotan’i Kristy.​—Ro 4:2-8; 6:23.

Tsy nitahy i Jehovah tamin’ny andron’i Hagay mpaminany satria natao tsirambina ny toerana masina. Nahazo karama hatao ao anaty “kitapo loaka” àry ny mpikarama, izany hoe kely ny karamany ka lany vetivety. (Hg 1:3-6) Hoy i Jehovah momba izay nitranga talohan’ny nanorenana indray ny tempoly: “Talohan’izao fotoana izao tokoa, dia tsy nisy karama ho an’ny olona, ary tsy nisy karama naloa tamin’ny tompon’ny biby fiompy nampiasaina.”​—Za 8:9, 10; jereo FANOMEZANA; FANOMEZANA AVY AMIN’ANDRIAMANITRA; MPIKARAMA.

Sakar (heb.) no ilazana ny karama aloa noho ny asa na raharaha vita. ʼEtnan (heb.), avy amin’ny fototeny hoe natan (manome), kosa no ilazan’ny Baiboly ny karaman’ny mpivaro-tena ara-bakiteny sy an’ohatra. Toy ny hoe fanomezana fa tsy karama ny hoe ʼetnan, saingy ampiasaina amin’ny heviny ratsy foana. Tsy azo nentina tao amin’ny toerana masina mba hanefana voady ny “karaman’ny mpivaro-tena” sy “ny vidin’alika”, izay azo inoana fa karaman’ny lehilahy miray amin’ny lehilahy. (De 23:18) Ho lasa zava-masina eo anatrehan’i Jehovah ny karaman’i Tyro tamin’izy nivaro-tena tamin’ireo firenena. Midika izany fa hohamasinin’ilay Avo Indrindra, na hampiasaina araka ny sitrapony mba hahasoa ny mpanompony, ny harena azon’i Tyro tamin’izany. (Is 23:17, 18; ampit. Ne 13:16.) Samy nivaro-tena tamin’ny firenen-kafa ny Joda sy Israely. (Ezk 23:1-16; Ho 9:1; Mi 1:6, 7) Nomelohin’Andriamanitra bebe kokoa anefa i Jerosalema satria izy indray no nanome karama an’ireo firenena nijangajangany, fa tsy nomena karama hoatran’ny mpivaro-tena mahazatra.​—Ezk 16:26-34, 41.