Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Karazana

Karazana

Tantarain’ny Genesisy toko voalohany fa “araka ny karazany avy” no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny zavaboary teto an-tany. (Ge 1:11) Tamin’ny faramparan’ny andro famoronana fahenina àry, dia efa nisy zavaboary “karazany” maro be teto an-tany. Nisy tamin’izy ireny tena be pitsiny. Noforonina ho afaka hiteraka sy hamokatra “araka ny karazany avy” ny zavaboary, ary tsy mivaona amin’izany sady manaraka lamina efa maty paika.​—Ge 1:12, 21, 22, 24, 25; 1Ko 14:33.

Toa sokajin-javaboary azo ampivadina ilay lazain’ny Genesisy hoe ‘karazana.’ Afaka namokatra na niteraka izay zavaboary iray karazana. Midika izany fa tsy azo lazaina ho iray ‘karazana’ intsony izay zavaboary tsy afaka mamokatra rehefa ampivadina.

Ampiasaina koa ny teny hoe karazana mba hilazana ny biby na zavamaniry iray tarika. Tsy izay anefa no dikan’ilay hoe ‘karazana’ resahin’ny Genesisy. Ampiasain’ny mpahay siansa ny teny hoe karazana mba hilazana ny biby na zavamaniry afaka mifampiteraka, ary manana toetra iray na maromaro itovizana. Ohatra hoe samy saka fa karazan-tsaka samihafa. Mety hisy biby sy zavamaniry maro isan-karazany àry ao anatin’ny ‘karazana’ iray resahin’ny Genesisy.

Noforonina “araka ny karazany avy” ny zavaboary, ary lalàna efa napetrak’i Jehovah Andriamanitra ao anatin’izy ireo ny hoe ny zavaboary iray ‘karazana’ ihany no afaka mifampiteraka. Nanjary nisy zavaboary isan-karazany àry tao anatin’ny “karazany” na sokajy tsirairay resahin’ny Genesisy. Na eo aza anefa izany, dia tsy misy porofo manamarina ny fampianarana hoe nisy zavaboary “karazany” na sokajy vaovao niforona, taorian’ny asa famoronana nataon’Andriamanitra. Marina foana ny hoe tsy afaka mamokatra ny zavaboary samy hafa ‘karazana.’ Efa lalàna eo amin’ny natiora mihitsy izany, ary mbola tsy nisy afaka nanome porofo marim-pototra hoe diso izany. Marina fa mampiasa teknika maoderina ny mpahay siansa ankehitriny, nefa mbola tsy nisy zavaboary “karazany” vaovao niforona hatramin’izao. Efa sitrapon’Andriamanitra mihitsy ny hisian’ny fizarazarana eo amin’ireo ‘karazana’ zavaboary. Hifanohitra amin’ny sitrapony àry ny fampivadiana ireo “karazany” samy hafa resahin’ny Genesisy. Tsy ho hita intsony koa izay anavahana azy ireny. Lasa miavaka tsara kosa ny zavaboary samy hafa ‘karazana’, satria tsy afaka mifampiteraka.

Asehon’ny zava-misy hatramin’izay nisian’ny olombelona fa alika foana ny zanaky ny alika, saka foana ny zanaky ny saka, ary elefanta foana koa ny zanaky ny elefanta. Mbola tsy afaka mifampiteraka foana ny zavaboary, raha vao samy hafa ‘karazana.’ Izany no fomba anavahana hoe karazany inona ireo zavaboary rehetra misy ankehitriny. Izay tsy afaka mifampiteraka mantsy dia karazany hafa. Azo ampiasaina koa izany fomba izany mba hamantarana hoe karazany inona, tany am-boalohany, ny biby iray na ny zavamaniry iray. Tsy afaka mifampiteraka mihitsy, ohatra, ny olona sy ny biby. Hita tamin’ny andrana natao fa tsy voatery ho iray karazana ny zavaboary mitovitovy bika aman’endrika. Mety hitovitovy, ohatra, ny olona sy ny rajako. Misy itovizany koa ny hozatra sy ny taolana ao amin’izy ireo. Tsy afaka mifampiteraka anefa ny olona sy ny rajako, ka izany no ahitana fa zavaboary samy hafa tanteraka izy ireo ary tsy iray ‘karazana.’

Nanantena ny manam-pahaizana fa ahazoana zavaboary “karazany” vaovao ny fampivadiana zavaboary samy hafa ‘karazana’, izany hoe samy hafa sokajy. Voamarika tamin’ny fanadihadiana anefa fa iray ‘karazana’ ireo nampivadina matoa namokatra. Iray ‘karazana’, ohatra, ny soavaly sy ny ampondra, satria samy anisan’ny fianakaviamben’ny soavaly. Miteraka ramole izy ireo. Tsy mifampiteraka anefa ny ramole, amin’ny ankapobeny, ka tsy afaka manan-taranaka. Voatery niaiky ny zava-misy i Charles Darwin ka nilaza hoe: ‘Miavaka tanteraka ny karazana zavamananaina tsirairay. Tsy misy ireo karazany eo anelanelany, izay toy ny hoe tetezamita mampitohy ny karazany samy hafa. Mbola sarotra amiko ny manazava izany.’ (Ny Fiandohan’ny Karazan-javamananaina, 1902, Fizarana 2, p. 54) Mbola marina foana hatramin’izao fa ny zavaboary iray karazana ihany no afaka mamokatra.

Mety ho an-jatony fotsiny ireo ‘karazana’ zavaboary (na sokajin-javaboary) noforonin’Andriamanitra. Misy zavaboary isan-karazany kosa ao anatin’ny ‘karazana’ tsirairay resahin’ny Genesisy. Asehon’ny fikarohana vao haingana, ohatra, fa misy zavamaniry ana hetsiny ao anatin’ny ‘karazana’ zavamaniry iray. Toy izany koa ny biby. Misy saka isan-karazany, ohatra, ao anatin’ny fianakaviamben’ny saka, na ilay ‘karazana’ hoe saka. Misy isan-karazany koa ny olona, ny omby, ary ny alika. Tsy afaka mikambana mihitsy anefa ny fototarazon’izay zavaboary sokajin’ny Genesisy hoe samy hafa ‘karazana.’

Mitovy be amin’ireo zavamaniry sy biby ankehitriny ny zavamaniry sy ny biby fahiny. Afaka manaporofo izany ireo mpikaroka, rehefa nandinika ny fôsily (sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny). Hita tamin’izany, ohatra, fa mitovy amin’ny kalalao ankehitriny ihany ireo kalalao fahiny. Tsy misy mihitsy koa ireo lazaina fa fôsily mampitohy ireo ‘karazana’ samy hafa. Mbola mitovy foana fa tsy niova miandalana ho lasa “karazany” hafa ny soavaly, ny hazo kininina, ny voromahery, ny elefanta, ny voanjo, ary ny zavatra hafa. Mifanaraka tsara amin’ny fitantaran’ny Baiboly momba ny famoronana ny zavatra hita amin’ireo fôsily. Lazain’ny Baiboly mantsy fa namorona zavamananaina maro be teto an-tany i Jehovah, ary noforoniny “araka ny karazany avy” izy ireny.​—Ge 1:20-25.

Azon’i Noa natao tsara àry ny nampiditra ny biby rehetra tokony hampidiriny tao amin’ny sambofiara, mba tsy hahafaty azy ireny nandritra ny Safodrano. Izao mantsy no toromarika nomena azy: “Amin’ny biby manidina araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, ary ny biby mandady rehetra amin’ny tany araka ny karazany avy, dia roa avy no hiditra hankao aminao mba hitsimbinana ny ainy.” (Ge 6:20; 7:14, 15) Hita amin’izany fa ny biby “araka ny karazany” namoronan’Andriamanitra azy tany am-boalohany no narovana. Solontenan’ireo biby isaky ny ‘karazany’ fotsiny ireny, ary fantatr’i Jehovah Andriamanitra fa hiteraka ireny biby isan-tsokajiny ireny aorian’ny Safodrano ka hampisy an’ireo biby isan-karazany fahita ankehitriny.​—Jereo SAMBOFIARA.

Rehefa ritra ny ranon’ny Safodrano, dia nivoaka avy tao anatin’ny sambofiara ireo ‘karazana’ zavaboary azo lazaina hoe vitsy ireo ary niparitaka naneran-tany. Niteraka zavaboary maro isan-karazany izy ireny rehefa nandeha ny fotoana, saingy “araka ny karazany” ihany, izany hoe ilay “karazany” resahin’ny Genesisy. Tsy niova mihitsy ireo ‘karazana’ ireo, fa ireo tafavoaka velona tamin’ny Safodrano ihany no mbola misy hatramin’izao, ary mifanaraka amin’ny tenin’i Jehovah Andriamanitra izay tsy azo ovana izany.​—Is 55:8-11.