Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Karianina Mpiaro ny Mpanjaka

Karianina Mpiaro ny Mpanjaka

Miaramila nanampy an’i Joiada hanongana an’i Atalia sy hanao an’i Joasy ho mpanjakan’ny Joda.​—2Mp 11:4, 13-16, 19.

Maro ny manam-pahaizana milaza fa ny Keretita, izay miaramila tamin’ny andron’i Davida sy Solomona, no Karianina Mpiaro ny Mpanjaka. Mpiaro manokana an’ireo mpanjaka ireo koa ny Keretita, hoy ny manam-pahaizana sasany. (2Sa 8:18; 1Mp 1:38; 1Ta 18:17) Toa manamafy izany ny soratra nataon’ny Masoreta, izay manao hoe “Karianina Mpiaro ny Mpanjaka” ao amin’ny 2 Samoela 20:23, fa “Keretita” kosa eo an-tsisim-pejy. Maro koa ny sora-tanana hebreo nanao hoe “Keretita.”

Faritra tany atsimoandrefan’i Azia Minora i Karia. Misy mihevitra fa mety ho avy any ireo Karianina Mpiaro ny Mpanjaka ary nandalo tao Kreta, matoa ampiarahina ny Keretita sy Filistinina ao amin’ny Ezekiela 25:16 sy Zefania 2:5, ary “Kretanina” fa tsy Keretita no ampiasain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ao amin’ireo andininy ireo.