Karka
(Kàrka) [Gorodona].
Toerana teo amin’ny ilany atsimo amin’ny sisin-tanin’ny fokon’i Joda teo anelanelan’i Adara (Adara I No. 2) sy Azmona. (Js 15:1-4) Tsy fantatra ny tena toerana nisy azy io. Misy manam-pahaizana milaza azy io ho ilay dobo tsara voatra eo amin’ny fihaonan’ny rano avy amin’ny Lohasaha Falehan-driaka el-ʽAin sy ny Lohasaha Falehan-driaka Omm Hashim, ary tokotokony ho 4 km any atsinanana atsimoatsinanan’i Azmona (ʽAin el-Keseimeh).—Jereo KADESY, KADESI-BARNEA.