Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Karkemisy

Karkemisy

(Karkemìsy).

Foibe ara-barotra teo amin’ny morony andrefan’i Eofrata tany avaratra. Nisy toerana fiampitana an’i Eofrata tao Karkemisy. Nandalo teo amin’io toerana io ny lalambe iray nivezivezen’ny entam-barotra avy tany Ninive nankany Harana (88 km teo ho eo monja atsinanan’i Karkemisy). Nankany amin’ny Lohasahan’i Oronte tany Libanona ilay lalana, ary avy eo nisampana nankany amin’ny faritr’i Mediterane na nianatsimo nankany Palestina sy Ejipta. Nampidi-bola ny hetra naloan’ireo mpivaro-mandeha nandalo tao Karkemisy, ka lasa nanan-karena ilay tanàna.

Tsara toerana ho an’ny varotra sy ny tafika i Karkemisy, ka notadiavin’ireo fanjakana hafa hofehezina hatry ny ela. Nahazo babo tao i Farao Thoutmosis III (tany antenatenan’ny taonarivo faharoa T.K.), ary nilaza koa i Ramsès III fa nanafika an’ilay tanàna. I Asoronasirpala II (taonjato fahasivy T.K.) kosa nilaza fa zahatra natsinkafona tamin’ny hoditr’osy nasiana rivotra no niampitany an’i Eofrata. Nandoa hetra taminy, hono, ny mpanjakan’i Karkemisy, dia talenta volafotsy 20, talenta varahina 100, talenta vy 250, zavatra vita amin’ny volamena, fanaka voaravaka ivoara, akanjo rongony sy volonondry, ary zavatra hafa.

Voatonona ao amin’ny Isaia 10:9-11 i Karkemisy, rehefa nanambara mialoha i Jehovah fa hanafika ny Israely sy Joda ny Asyrianina. Nambarany koa fa hirehareha ilay mpanjaka asyrianina hoe anisan’ny fanjakana tsy nahatohitra azy i Karkemisy. Nandresy an’i Karkemisy tokoa i Sargona II, mpanjaka asyrianina niara-belona tamin’i Hezekia Mpanjaka. Governora asyrianina no nifehy an’ilay tanàna taorian’izay.

Resy i Ninive, renivohitr’i Asyria, tatỳ aoriana. Nitarika ny tafiny nianavaratra àry i Farao Neko mba hanampy ny Asyrianina. Nitady hisakana an’ilay tafika tao Megido i Josia mpanjakan’ny Joda. Tamin’izay anefa no nahafaty azy (t. 629 T.K.). (2Ta 35:20-24) Niady tao Karkemisy ny tafik’i Ejipta sy Babylona tamin’ny 625 T.K. Nahazo fandresena lehibe ny tafik’i Nebokadnezara, ary avy eo nanafika an’i Syria sy Kanana. Nifarana hatreo àry ny fitondran’i Ejipta tany amin’ireo faritra ireo. Samy mitantara ny faharesen’ilay tafika ejipsianina ny Jeremia 46:2 sy ny Tantaran’i Babylona (T.B. 21 946).

Nisy fikarohana natao tao ambanin’ilay dongon-tany lehibe tao Karkemisy, eo atsimoatsinanan’i Karkamisy (Cerablus na Barak taloha), tanàna kely tiorka. Mirefy 93 ha ilay toerana, ary mifanila aminy i Jerablus, tanàna syrianina akaiky kelin’ny sisin-tany mampisaraka an’i Syria sy Torkia. Takelaka maro amin’ny “soratra hetita miendrika kisarisary” no nofongarina tao. Misy àry mihevitra fa fanjakana iray nanana ny renivohiny tao Hattoshash no nifehy an’i Karkemisy nandritra ny 200 taona teo ho eo, tamin’ny faramparan’ny taonarivo faharoa T.K. (Jereo anefa ny HETITA.) Nofongarina tao koa ny sary mivohitra ahitana sarin-diona manana lohan’olona sy lakroa misy boribory eo an-tampony. Porofo izany fa nisy heriny be tao ny kolontsaina ejipsianina.