Karmela
(Karmèla) [Saham-boankazo].
Anarana tandavan-tendrombohitra sady anaran-tanàna. Midika hoe “saham-boankazo” ny teny hebreo hoe karmel.—Is 16:10; 32:15; Je 2:7.
1. Ny Tandavan-tendrombohitra Karmela dia ilay sampany mianavaratrandrefana avy amin’ilay tandavan-tendrombohitra mamakivaky ny afovoan-tanin’i Israely. Tonga hatrany amin’ny Ranomasina Mediterane ny Tandavan-tendrombohitra Karmela ka miafara amin’ny tendron-tany izay mandroso mankany an-dranomasina eo amin’ny 180 m eo ho eo. Mirefy 50 km eo ho eo ny halavan’ilay tandavan-tendrombohitra, manomboka eo amoron’i Mediterane ka hatrany amin’ny Lemak’i Dotana, izay eo akaikin’ireo havoanan’i Samaria. Azo zaraina ho telo ilay tandavan-tendrombohitra: Ireo tendrombohitra eo avaratrandrefana sy ireo eo atsimoatsinanana, ary ny lembalemba be vato eo anelanelan’ireo. Eo amin’ilay ilany avaratrandrefana no misy ny tendrony avo indrindra, izay tokotokony ho 545 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina, any avaratrandrefan’i ʽIsfiya. Tsy fantatra raha ilay tandavan-tendrombohitra manontolo no nantsoina hoe Karmela fahiny, na ilay ilany avaratrandrefana ihany, izay 21 km eo ho eo ny halavany. Ankehitriny, dia ilay ilany avaratrandrefana ihany no antsoina hoe Tendrombohitra Karmela (Jebel el-Karmal; Hara Karmela). Eo amin’ny sisiny atsimoatsinanan’izy io no misy an’i Jokneama, tanànan’ny mpanjaka kananita. Voalaza fa “tany Karmela” no nisy an’i Jokneama. Tsy toy izany kosa no ilazana an’i Megido sy Tanaka, izay eo amin’ilay ilany atsimoatsinanana, eo amin’ny tehezany atsinanana.—Js 12:22.
Azo zaraina telo manaraka ny halavany, avy any avaratra mankany atsimo, ny tany nidiran’ny Israely: Ny Lohasahan’i Jordana, ny faritra be havoana, ary ny lemaka amoron-tsiraka. Ny Tandavan-tendrombohitra Karmela anefa mitsivalana manapaka tampoka an’ilay tandavan-tendrombohitra afovoan-tany, ka mampisy ny Lohasahan’i Jezirela na Esdraelona, izay eo am-pototry ny Tandavan-tendrombohitra Karmela, eo amin’ny ilany atsimoatsinanana. Manasaraka ny lemaka amoron-tsiraka kosa ilay tendron-tanin’i Karmela tonga hatrany amin’ny Ranomasina Mediterane, ka mampisy ny Lemak’i Asera (avaratr’i Karmela) ary ny lemak’i Sarôna sy Filistia (atsimon’i Karmela). Mivily tampoka ny morontsiraka manaraka an’iny tendron-tany mankany anaty ranomasina iny, ka mampisy ny Helodranomasin’i Ako. Eo no misy an’i Haïfa, izay tanàna misy seranan-tsambo lehibe. Lasa sisin-tanin’ny fokon’i Asera i Karmela.—Js 19:24-26.
Sakana voajanahary i Karmela ho an’ny mpanao dia lavitra sy tafika, izay nivezivezy teo anelanelan’i Mezopotamia sy Ejipta. Mitsatoka be mantsy ny tehezan’i Karmela avy any atsinanana, izay tandrifin’ny Lemak’i Asera sy ny Lohasahan’i Jezirela. Feno ala sy kirihitra mikitroka ilay tandavan-tendrombohitra fahiny, ka tena sarotra aleha. Misy lalana tery kely eo anelanelan’ny fototr’ilay tendron-tanin’i Karmela sy ny ranomasina. Nanalavi-dalana sy mora notafihina anefa ny miaramila raha nandeha tany. Nisy lalankely nanivatsiva an’ilay tendrombohitra avy tany amin’ny Lohasahan’i Jezirela, ary nandalo ny tanàna voaro mafin’i Jokneama sy Tanaka, fa ilay lalankely tao Megido (tanàna teo anelanelan’i Jokneama sy Tanaka) no mora nandehanana indrindra. Nisy lalana lehibe iray anefa tany atsimo, niainga avy teo amin’ny fihaonan-dalana tao Megido, nanaraka ny sisin’ny Tandavan-tendrombohitra Karmela, ary nivily tampoka niankandrefana, nandalo ny Lemak’i Dotana, ary nankany amoron-tsiraka.
Matetika i Karmela no tononina miaraka amin’ny toerana mahavokatra toa an’i Libanona, Sarôna, ary Basana. (Is 35:2; Je 50:19) Nanana mpamboly sy mpikarakara tanimboaloboka tany Karmela i Ozia Mpanjaka, izay “tia fambolena.” (2Ta 26:10) Mbola ahitana vato nolavahana, nataon’ny olona fahiny famiazam-boaloboka sy famiazana oliva any. Nilaza ireo mpaminany fa halazo sy ho maina ireo zavamaniry nandrobona be tany Karmela, izany hoe ho loza ny hiafaran’ny Israely rehefa homelohin’i Jehovah izy ireo. (Is 33:9; Am 1:2; Na 1:4) Mahazo rivo-dranomasina ny tehezan’i Karmela, ka mbola ahitana saham-boankazo, tanin’oliva, tanimboaloboka any, ary rehefa lohataona dia rakotra voninkazo tsara tarehy izy io. Milaza ny Tononkiran’i Solomona (7:5) fa tahaka an’i Karmela ny lohan’ilay tovovavy solemita. Nahoana? Natevina be angamba ny volony, na tsara tefy ny lohany sady niteronterona teo ambonin’ny vozony. Nampitovina tamin’i Karmela sy ny Tendrombohitra Tabara ny fiakaran’i Nebokadnezara hanafika an’i Ejipta. Manerinerina erỳ mantsy i Karmela, indrindra fa ilay tendron-tany miakatra avy eo amoron-tsiraka, ary i Tabara kosa mijoalajoala eo amin’ny Lohasahan’i Jezirela.—Je 46:18.
Tany Karmela no tena fiafenan’ny mponin’i Samaria. Marina fa tsy izy io no toerana avo indrindra, nefa azon’ny mpitsoaka niafenana tsara tany satria vitsy sy niparitaka ny mponina sady nisy ala mikitroka sy lava-batosokay maro be koa tany. Asehon’ny tenin’i Amosa mpaminany anefa fa tsy hahavita hiaro ireny toerana ireny, rehefa hampihatra ny didim-pitsarany ara-drariny i Jehovah.—Am 9:3.
Voaresaka betsaka ny Tendrombohitra Karmela nandritra ny fanompoan’i Elia sy Elisa mpaminany. (SARY, Boky 1, p. 950) Teo no nasain’i Elia novorin’i Ahaba Mpanjaka ny vahoaka mba hanatri-maso ny fitsapana natao tamin’i Bala sy Jehovah ilay tena Andriamanitra. Mpaminany 450 no nisolo tena an’i Bala, fa i Elia kosa no nisolo tena an’i Jehovah. (1Mp 18:19-39) Taorian’ilay fitsapana dia nasain’i Elia novonoina tany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kisona ireo mpaminany sandoka. Mandalo eo am-pototr’i Karmela eo amin’ny ilany atsinanana io lohasaha falehan-driaka io, alohan’ny hifaranany eo amin’ny helodranomasin’i Ako. (1Mp 18:40) Teo an-tampon’i Karmela i Elia no nivavaka mba hifaranan’ilay mosary naharitra telo taona sy tapany. Teo koa ny mpanompony no nahatazana rahona kely, izay fambara fa hisy oram-be mivatravatra ho avy. (1Mp 18:42-45; Jk 5:17) Avy tao Karmela i Elia no nihazakazaka ho any Jezirela, izany hoe 30 km, fara fahakeliny. Nanampy azy i Jehovah, ka nihoarany lavitra i Ahaba izay nandeha kalesy.—1Mp 18:46.
Nandalo an’i Jeriko sy Betela i Elisa mpandimby an’i Elia, tamin’izy nankany Karmela, taorian’ny nisarahan’izy ireo teo amin’ny Reniranon’i Jordana. (2Mp 2:15, 23, 25) Mbola tany amin’ny Tendrombohitra Karmela i Elisa rehefa nila vonjy tany aminy ilay vehivavy maty zanaka avy tany Sonema (tanàna eo avaratra kelin’i Jezirela).—2Mp 4:8, 20, 25.
2. Tanàna iray tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda. (Jos 15:1, 48, 55) Maro ny mpahay jeografia mihevitra azy io ho i Kirbet el-Kirmila (Horvat Karmela), tokotokony ho 11 km any atsimo atsimoatsinanan’i Hebrona.
Tao Karmela i Saoly no nanangana “tsangambato [heb.: yad]”, angamba ho fahatsiarovana ny nandreseny ny Amalekita. (1Sa 15:12) Marina fa “tanana” matetika no andikana ilay teny hebreo hoe yad, nefa azo adika koa hoe tsangambato izy io satria “nanorina” no teny miaraka aminy mba hilazana izay nataon’i Saoly. Yad koa no teny hebreo ilazana an’ilay tsangambato naorin’i Absaloma tatỳ aoriana, ka nantsoina hoe “Tsangambaton’i Absaloma.”—2Sa 18:18.
Namela ny andian’ondriny hiraoka ahitra teny amin’ireo havoanan’i Karmela i “Nabala Karmelita” izay toa nonina tany Maona, tsy lavitra teo. Niaro ny andian’ondriny i Davida sy ny miaramilany, tamin’i Davida nandositra an’i Saoly. (1Sa 25:2; 30:5; 2Sa 2:2; 3:3) Tsy nety nanome vatsy an’i Davida anefa i Nabala ho setrin’izany fiarovana izany. Soa ihany fa nanao zavatra haingana i “Abigaila Karmelita”, vadin’i Nabala, ka nisakana an’i Davida tsy handatsa-dra. (1Sa 25:2-35) Lasa vadin’i Davida i Abigaila tatỳ aoriana.—1Sa 25:36-42; 27:3; 1Ta 3:1.
Anisan’ny lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida i “Hezro Karmelita.”—