Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Karmy

Karmy

(Karmỳ) [mety hidika hoe Mpikarakara Tanimboaloboka].

1. Zanak’i Robena, ary rahalahin’i Hanoka sy Palo ary Hezrona. Razamben’ny Karmita i Karmy. Anisan’ny ankohonan’i Jakoba nankany Ejipta koa izy.​—Ge 46:9; Ek 6:14; No 26:6; 1Ta 5:3.

2. Rain’i Akana, ary taranak’i Joda sy Tamara avy tamin’i Zera sy Zabdy. (Js 7:1, 18) Lazain’ny 1 Tantara 4:1 fa “zanakalahin’i Joda” i Karmy. Azo inoana fa ilay hoe “zanakalahin’i Joda” dia ampiharina koa amin’ny taranany lavidavitra.​—Ampit. 1Ta 2:4-7.