Kasia
(kasià) [heb.: kiddah; ketsiʽah].
Teny hebreo roa no ilazan’ny Baiboly an’io zavamaniry io, nefa hazo iray ihany na ny voniny sy ny hodiny no tondroin’izy ireo, araka ny Baiboly syriàka sy ny Targoma. Maniry any amin’ny faritra atsinanan’i Azia izao ny hazo kasia (Cinnamomum cassia), izay anisan’ny fianakaviamben’ny kanelina. Mety hahatratra 12 m izy io, ary mangirana ny raviny henjana. Silatsilahina ny hodiny anatiny, izay miendaka ho azy rehefa maina ka mihorongorona. Iny avy eo no amidy. Henjana sy mahery fofona kokoa noho ny hodi-kanelina ny hodi-kasia. Atao laron-tsakafo ny bokony, ary atao emboka manitra ny voninkazony nohamainina.
Anisan’ny “zava-manitra tsara indrindra” nanaovana ny menaka masina fanosorana ho an’ny tranolay masina ny kasia (Ek 30:23-25), ary entam-barotra sarobidy tany Tyro. (Ezk 27:19) Manitra ketsiʽah (heb.) sy zavatra hafa ny akanjon’ny mpanjaka tamin’izy nampaka-bady, hoy ny Salamo 45:8. Ny andininy farany ahitana hoe ketsiʽah dia ny hoe Kezia, anaran’ny vaviaivo naterak’i Joba taorian’izy sitrana.—Jb 42:14.