Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Katsatsaka

Katsatsaka

[Heb.: ʼanakah; semamit].

Androngo kely botabota matetika, ary rakotra kirany madinika ny vatany. Somary be maso izy, hoatran’ny an’ny saka ny anakandriamasony, ary mivelatra ny rantsantongony. Fahita any amin’ny tany mafana izy, ary monina any an’ala, eny amin’ny harambato, hazo, ary ao an-trano indraindray. Mivoaka alina izy ary misy karazany enina any Palestina.

Biby “maloto” ny “katsatsaka” (Hemidactylus turcicus) tamin’ny Israelita. (Le 11:29, 30) “Mampiasa ny tanany hamikirana” ary tonga hatrao an-dapa ny “katsatsaka” (heb.: semamit). (Oh 30:28) Hoy ny boky iray momba ny rantsantongotr’izy io: “Misy hoatran’ny faraingo bitika kely maro be izy ireny, ka afaka mamikitra amin’izay faritra mivohitra kely, na dia eo amin’ny fitaratra aza. Eo amin’ny faritra nolamaina tsara ihany izy no tsy afaka mamikitra. Mitsontsorika sy mitodika any aoriana ireo faraingo, ka tsy maintsy ingainy ny tendron’ny rantsantongony vao tafala ny tongony. Tsy maintsy mamoritra sy manatsotra rantsantongotra haingana be (tsy araky ny maso) àry izy, isaky ny mandingana ka mitsoriaka mananika hazo, rindrina, na valindrihana. Bitika kely ny faraingo sasany, ka ilana mikraoskaopy matanjaka vao hita. Imbetsaka anefa ny rantsantongotra iray misy an’ireo faraingo kely maro ireo no mizaka ny lanjan’ny katsatsaka.”​—Ny Rakipahalalana Momba ny Bibidia Eran-tany, nataon’i M. sy R. Burton, 1969, Boky Faha-7, p. 856, 857.