Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kavina

Kavina

Firavaka boribory na tsia apetaka amin’ny sofina. Toa tsy nanana teny iray ilazana ny hoe “kavina” ny Hebreo, satria nilazany kavin’orona koa ny teny hebreo iray (nezem) nadika hoe “kavina.” (Oh 11:22; Ek 32:2) Ny teny manodidina àry no mety hahalalana raha kavina na kavin’orona ilay hoe nezem resahin’ilay andininy. Mety ho nitovitovy ny bikan’ny kavina sy kavin’orona. Ilazana kavina sy firavaka boribory koa ny hoe ʽagil (heb.).​—No 31:50; Ezk 16:12.

Nanao kavina ny lehilahy sy ny zaza amam-behivavy tany amin’ny firenena maro fahiny. Nanao kavina mantsy ny lehilahy vahiny asehon’ny sary eo amin’ny tsangambato ejipsianina. Toa tsy nanao anefa ny lehilahy ejipsianina, ary tsy fantatra koa raha nanao ny lehilahy israelita. Nanao kavina kosa ny lehilahy midianita, ary anisan’ny zavatra nobaboin’ny Israelita ireny rehefa resiny izy ireo. (No 31:1, 2, 50) Hoy i Arona tamin’ny Israelita, rehefa hanao zanak’omby volamena izy tany an-tany efitra: ‘Esory ny kavina volamena eny an-tsofin’ny vadinareo sy ny zanakareo lahy ary ny zanakareo vavy, ka ento etỳ amiko.’​—Ek 32:1-4.

Nanao kavina volamena boribory be (4-5 sm teo ho eo ny savaivon’ny sasany) ny vehivavy ejipsianina. Nisy aza lehibe kokoa. Nisy koa kavina boribory enina notefena hitambatra. Nahitana kavina volafotsy tany Thèbes, ary kelikely ny sasany. Nisy kavina niangaliana be tany Ejipta sy Asyria, ary niendrika lakroa ny sasany. Natsofoka teo amin’ny ravintsofina nitevika ny kavina na ny faraingony.

Nanao kavina volamena niendrika bibilava noravahana vatosoa ny olona ambony sasany tany Ejipta fahiny. Boribory nisy vatosoa nikirozaroza ny kavina sasany tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Netifôht (heb.) avy amin’ny hoe nataf (“mitete” na “mandatsaka”) no ilazana ny haingo nikirozaroza niendrika rano mitete, toy ny perla na vakana boribory volafotsy na volamena, na dia tsy resahin’ny Baiboly aza ny mombamomba azy ireny. (Mpts 8:26) Nilaza i Jehovah fa hesoriny amin’ny “zanakavavin’i Ziona” niavonavona ny kavina sy ny haingo hafa.​—Is 3:16, 19.

Nataon’ny olona fahiny ody fiaro ny kavina, fa tsy toy izany kosa ny an’ny Hebreo sy Kristianina nanam-pinoana. Tsy resahin’ny Baiboly mivantana hoe nataon’ny ankohonan’i Jakoba ody fiaro ny ‘kaviny’, nefa nalevin’i Jakoba niaraka tamin’ny “andriamani-kafa” teo am-pototry ny hazobe tany akaikin’i Sekema izy ireny. (Ge 35:2-4) Mety ho ody natao kavina na nahantona tamin’ny rojo niambozonana, ireo “akorandriaka ody fiaro” nanaovan’ny “zanakavavin’i Ziona” niavonavona.​—Is 3:20.

Nanome kavina sy zavatra hafa ny Israelita natosiky ny fony, rehefa nasaina nanao fanomezana ho an’ny tranolay masina. (Ek 35:20-22) Nilaza i Jehovah tatỳ aoriana fa anisan’ny fomba nanehoany ny fitiavany an’i Jerosalema, ny nanisiany kavina ny sofin’izy io. (Ezk 16:1, 2, 12) Niresaka kavina volamena an’ohatra i Solomona. Hoy izy: “Ny olon-kendry izay manome anatra dia toy ny kavina volamena sy firavaka volamena tena tsara eo amin’ny sofin’ny olona mihaino anatra.”​—Oh 25:1, 12.