Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kavin’orona

Kavin’orona

Firavaka boribory atevika amin’ny orona havia na havanana na eo amin’ny fisasahan’ny vavorona. Ny vehivavy no tena nanao azy io. (Ge 24:22, 30, 47; Is 3:21) Toa nanao azy io koa anefa ny lehilahy ismaelita, araka ny Baiboly sasany.​—Mpts 8:24-26.

Ilazana kavina koa ny teny hebreo (nezem) nadika hoe “kavin’orona”, ary mety ho nitovitovy ihany ny bikan’izy ireny matetika. Ny teny manodidina no ahalalana indraindray raha kavina na kavin’orona ilay noresahina.​—Ampitahao Ge 24:47 sy Ge 35:4; Ezk 16:12; jereo PERATRA.

Volamena matetika ny kavin’orona, nefa nisy koa volafotsy na hafa. Mety ho nasiana vakana, haran-dranomasina, na firavaka kely hafa nikirazorazo tamin’ny kavin’orona, izay nirefy 2,5 ka hatramin’ny 7,5 sm teo ho eo ny savaivony. Nila ningaina àry ilay izy rehefa nisakafo, satria nikiraviravy teo ambony molotra.

Toy ny “kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa” ny vehivavy tsara tarehy nefa tsy misaina.​—Oh 11:22.