Kedara
(Kedàra) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mainty”].
1. Iray amin’ireo 12 lahy zanak’i Ismaela.—Ge 25:13-15; 1Ta 1:29-31.
2. Foko arabo avy amin’i Kedara zanakalahin’i Ismaela, ary anisan’ireo “zanaky ny Atsinanana.” Kedara koa no anaran’ny taniny. (Je 2:10; 49:28, 29) Mpifindrafindra monina ny Kedarita, sady mpiompy ondry sy osy ary rameva. (Is 60:7; Je 49:28, 29) Azo inoana fa nipetraka tany amin’ny Tany Efitra Syrianina Arabo atsinanan’i Palestina izy ireo, tany amin’ny faritra avaratrandrefan’ny Saikinosin’i Arabia. Mety ho nitobian’izy ireo vetivety fotsiny ireo “tanàna kely onenan’i Kedara” (Is 42:11), nefa mety ho nisy nonenany koa. Foko lehibe teo amin’ny Arabo ny Kedarita, ka izany angamba no nahatonga an’ireo foko tany an-tany efitra hantsoina hoe Kedara, tatỳ aoriana. Antsoina hoe Kedara koa indraindray i Arabia, ao amin’ny Targoma sy ny asa soratr’ireo raby.
Nilaza ilay tovovavy solemita ao amin’ny Tononkiran’i Solomona fa mainty tahaka “ny tranolain’i Kedara” izy. (To 1:5, 6; ampit. Sl 120:5.) Toa natao tamin’ny volon’osy mainty mantsy ireny tranolay ireny, toy ny an’ny Arabo mpifindrafindra monina ankehitriny ihany. Nilaza i Ezekiela mpaminany fa nampiasain’i Tyro hivarotra zanak’ondry sy ondrilahy ary osilahy ‘ny mpiadidy tao Kedara’ sy ny Arabo.—Ezk 27:21.
Naminany i Isaia fa hihena tampoka ny voninahitr’i Kedara, rehefa hifehy an’i Israely sy ny firenena manodidina azy ny Asyrianina. Ho lasa vitsy kely koa ireo lehilahy maheriny mpandefa tsipìka. (Is 21:16, 17) Azo inoana fa ny Kedarita ihany ireo Kidri na Kadri noresahin’ny Asyrianina ao amin’ireo tantaran’ny ady nataony. Nilaza, ohatra, i Asorobanipala mpanjaka asyrianina fa niady taminy ny Kidri sy ny Aribi (Arabo) ary ny Nebaiota. (Ampit. Is 60:7.) Nirehareha izy hoe azony babo ny ampondran’izy ireo sy ny ramevany ary ny ondriny.
Resin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona i Kedara, tatỳ aoriana. (Je 49:28, 29) Noresahin’i Josèphe tao amin’ny bokiny fa nilaza i Bérose, Babylonianina mpahay tantara, hoe resin’ilay mpanjaka ny faritra avaratr’i Arabia.—Diso Hevitra i Apion, I, 129, 133 (19).
Nisy vilia baolina volafotsy (tamin’ny taonjato fahadimy T.K. angamba) hita tany Tell el-Maskotah, any Ejipta. Nisy soratra aramianina teo amin’ilay izy hoe: “Kaino bar [zanakalahin’i] Gasema, mpanjakan’i Kedara.” Mety ho ilay “Gasema Arabo” nanohitra ny fanorenana indray ny mandan’i Jerosalema tamin’ny andron’i Nehemia, io Gasema io.—Ne 2:19; 6:1, 2, 6.
Milaza ireo asa soratra asyrianina fa nisy ny sarin’ireto andriamani-diso ireto tao amin’ilay toerana nivavahan’i Hazaila, mpanjakan’i Kedara: Atarsamaina (ilay antsoin’ny Asyrianina hoe Ishtar Dilbat), Day, Nahay, Roldaio, Atarkoroma, ary Abirilo. Kintana volamena voaravaka vatosoa no famantarana an’ilay andriamanibavy Atarsamaina. Nivavaka tamin’ny rano koa ny mponina tao Kedara, hoy ny Talmoda babylonianina (Taanit 5b).