Kedema
(Kedèma) [Miantsinanana; Any Atsinanana].
Zanakalahin’i Ismaela, ary ny anarany no voatonona farany ao amin’ny Genesisy 25:15 sy ny 1 Tantara 1:31. Tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah an’i Abrahama (Ge 17:20), satria iray amin’ireo mpiadidy 12 naterak’i Ismaela i Kedema.