Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kedemota

Kedemota

(Kedemôta) [avy amin’ny fototeny midika hoe “atsinanana”].

Tanàna iray tany atsinanan’i Jordana, ary angamba koa ny tany efitra nanodidina an’ilay tanàna. Tany an-tany efitr’i Kedemota i Mosesy no nandefa iraka tany amin’i Sihona mpanjakan’ny Amorita, mba hangata-dalana handalo tao amin’ny taniny. (De 2:26, 27) Nomena ho an’ny Robenita aloha i Kedemota, fa avy eo kosa ho an’ny Levita taranak’i Merary. (Js 13:15, 18; 21:34, 36, 37; 1Ta 6:77-79) Mihevitra ny manam-pahaizana maro fa mety ho iray amin’ireo dongon-tany, any akaikin’ny fiandohan’ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona, i Kedemota. Anisan’ireny dongona ireny i Kasr ez-Zaʽfaran, any amin’ny 16 km eo ho eo any avaratratsinanan’ny toerana heverina fa nisy an’i Dibona fahiny.