Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kefira

Kefira

(Kefìra) [Tanàna Kely].

Tanànan’ny Hivita (Js 9:7, 17), ary iray tamin’ireo tanàna efatra nandefa solontena gibeonita tany amin’i Josoa. Mody nilaza ireo Gibeonita hoe avy lavitra. Nanaiky hanao fifanekena tamin’izy ireo àry ny Israelita. (Js 9:3-27) Misy toerana efa ravarava sady tsy misy mponina intsony ao Kirbet Kefireh, 7 km andrefana atsimoandrefan’i el-Jib (Gibeona), eo an-tampon’ny toeram-piarovana mikitohatohatra fahiny. Maro ny porofo hoe teo no nisy an’i Kefira. Tsara toerana i Kefira satria afaka nisakana ny fanafihana an’i Gibeona avy any andrefana. Lasa lovan’i Benjamina izy io rehefa nozaraina ilay tany. (Js 18:26) Niverina tao indray ireo mponina tao, rehefa avy natao sesitany.​—Ezr 2:1, 25; Ne 7:29.