Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kehata

Kehata

(Kehàta).

Iray amin’ireo telo lahy zanak’i Levy, ary ny anarany no voatonona faharoa. (Ge 46:11; Ek 6:16; 1Ta 6:1) Rain’i Amrama, Jizara, Hebrona ary Oziela izy. (Ek 6:18; No 3:19; 1Ta 6:2) Izy no razamben’ny Kehatita, iray amin’ireo fianakaviana levita telo lehibe indrindra. (No 3:17, 27) Toa tany Kanana izy no teraka, ary anisan’ireo olona 66 ‘niaraka tamin’i Jakoba nankany Ejipta.’ (Ge 46:8, 11, 26; jereo anefa BENJAMINA No. 1.) Anisan’ny taranak’i Kehata i Mosesy, Arona, Miriama (Ek 6:18, 20; No 26:58, 59), ary Kora ilay nikomy. (No 16:1-3) Niaina 133 taona i Kehata.​—Ek 6:18.