Keila
(Keìla).
Tanàna voaro mafy tany Sefela, tany Joda. (Js 15:20, 33, 44; 1Sa 23:7) Ny taranak’i Kaleba angamba no nanorina azy io, na nifehy azy io nandritra ny fotoana kelikely. (1Ta 4:15, 19) Maro no milaza azy io ho i Kirbet Kila (Keila), izay eo an-tampon-kavoana, tokotokony ho 14 km any avaratrandrefan’i Hebrona. Mbola misy fambolem-bary toy ny tany Keila fahiny ihany ankehitriny any akaikin’i Kirbet Kila.—Ampit. 1Sa 23:1.
Namonjy an’i Keila tsy ho azon’ny Filistinina i Davida, tamin’izy nenjehin’i Saoly Mpanjaka. Voatery niala tao anefa izy sy ireo lehilahy niaraka taminy, mba tsy hatolotry ny mponin’i Keila ho eo an-tanan’ny tafik’i Saoly.—1Sa 23:5, 8-13.
Nonenana indray ilay tanàna taorian’ny sesitany tany Babylona. Rehefa namboarina indray ny Ne 3:17, 18.
simba tamin’ny mandan’i Jerosalema, tamin’ny andron’i Nehemia, dia efa nizara roa ny faritanin’i Keila, ka samy nanana ny ‘andrianany’ avy izy ireo.—