Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kelita

Kelita

(Kelìta) [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “fohy kely”].

1. Levita velona tamin’ny andron’i Ezra, ary anisan’ireo Levita niaiky fa nanambady vehivavy hafa firenena ka nandroaka an’ireny. Antsoina koa hoe Kelaia izy. (Ezr 10:23, 44) Mety ho izy ihany ilay Kelita No. 2 sy No. 3.

2. Levita nanampy an’i Ezra “nanazava ny lalàna tamin’ny vahoaka”, tamin’ny 455 T.K.​—Ne 8:7, 8; jereo No. 1.

3. Levita iray. Nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” tamin’ny andron’i Nehemia ny taranany na izy mihitsy. (Ne 9:38; 10:1, 9, 10) Raha i Kelita mivantana no teo, fa tsy ny taranany, rehefa natao io fifanekena io, dia mety ho izy ihany ilay Kelita No. 1 na No. 2.