Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Keloba

Keloba

(Kelòba) [Sobika; Vata Makarakara].

1. Taranak’i Joda. Rahalahin’i Soha i Keloba sady rain’i Mehira. (1Ta 4:1, 11) Nalaina avy amin’ny soratra nataon’ny Masoreta ilay hoe “Keloba”, ary hita ao amin’ny fandikan-teny sasany. (TV, Prot., Kat., DIEM) Antsoina hoe “Kaleba” kosa izy ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ny Peshitta syriàka, ary ny Vulgate latinina (nohavaozina tamin’ny andron’ny Papa Clément Faha-8). Izany no antony ampiasan’ny Baiboly frantsay nadikan’i Sacy sy Liénart ny hoe Kaleba.

2. Rain’i Ezry. Mpanompon’i Davida Mpanjaka niandraikitra ny tantsaha i Ezry.​—1Ta 27:26.