Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kenana

Kenana

(Kenàna).

1. [avy amin’ny fototeny midika hoe “mamokatra; mahazo; mividy”]. Zanakalahin’i Enosa sady zafikelin’i Seta, ary zafiafin’i Adama. Rain’i Mahalalila izy, ary velona 910 taona. (Ge 5:3-14; 1Ta 1:1, 2) Razamben’i Maria renin’i Jesosy izy.​—Lk 3:37, 38.

2. Zanakalahin’i Arpaksada, ao amin’ny tetirazan’i Jesosy Kristy nosoratan’i Lioka. (Lk 3:36) Ahitana ny anaran’i Kenana ao amin’ireo tetirazana voalazan’ny Ge 10:24; 11:12, 13 ary ny 1Ta 1:18 (fa tsy ny 1Ta 1:24) ao amin’ny sora-tanana sasany amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo mbola misy ankehitriny, anisan’izany ny Sora-tanana Alexandrinus (taonjato fahadimy). Tsy ahitana ny anaran’i Kenana kosa ny sora-tanana hebreo sisa tavela ankehitriny, ao amin’ireo andininy ireo. Tsy ahitana an’io anarana io koa ny Lioka 3:36 ao amin’ny sora-tanana roa (Papyrus Bodmer 14, 15, taona 200 tany ho any; Kôdeksa Bezae taonjato fahadimy). Toy izany koa ny soratra nataon’ny Masoreta (Ge 10:24; 11:12, 15; 1Ta 1:18), satria i Sela no lazainy hoe zanak’i Arpaksada fa tsy i Kenana.​—Jereo ARPAKSADA; TETIRAZAN’I JESOSY KRISTY (Tetirazana nosoratan’i Lioka).

[3, 4: endriny milaza vavy amin’ny hoe Kanana]

3. Rain’ilay Zedekia mpaminany sandoka. Velona tamin’ny andro nanjakan’i Ahaba sy Josafata io Zedekia io.​—1Mp 22:11, 24; 2Ta 18:10, 23.

4. Taranak’i Benjamina avy tamin’i Jediaela sy avy tamin’i Bilana.​—1Ta 7:6, 10.