Kenata
(Kenàta).
Toerana nobaboin’i Noba tany atsinanan’i Jordana, ary nampitondrainy ny anarany. (No 32:42) Mety ho avy amin’ny fokon’i Manase io Noba io. Toa tsy naharitra anefa ny niantsoana an’ilay toerana hoe “Noba”, matoa voalaza fa nalain’i Gesora sy Syria i “Kenata” tatỳ aoriana. (1Ta 2:23) Nantsoina hoe Kanata izy io tatỳ aoriana, ary anisan’ireo tanàna folo tany am-boalohany natao hoe Dekapolisy. Misy milaza an’i Kenata ho i Kanaoat, tokotokony ho 90 km any atsimo atsimoatsinanan’i Damaskosy sy 7 km any avaratrandrefan’i Soeida ankehitriny.