Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kenizita

Kenizita

(Kenizìta) [An’i Kenaza].

1. Firenena tsy israelita tany Kanana na teny akaikiny. Nampanantena i Jehovah fa homeny ny taranak’i Abrama ny tanin’izy ireo. (Ge 15:18, 19) Niala avy tany atsimoatsinanana ny Kenizita ka nifindra nankany Negeba. Niely tany amin’ny faritra sasany tany Edoma sy tany amin’ny faritra atsimon’i Joda angamba izy ireo, talohan’ny nakan’ny Israelita ny Tany Nampantenaina.

Taranak’i Kenaza, lehibem-poko tany Edoma sady taranak’i Esao avy tamin’i Elifaza, ny Kenizita, hoy ny manam-pahaizana sasany. (Ge 36:15, 16) Fianakaviambe edomita nalaza àry, hono, ny Kenizita. Tsy azo antoka anefa hoe iza marina no razamben’ny Kenizita, satria tsy manome tsipiriany momba izany ny Baiboly. Notanisain’i Jehovah niaraka tamin’ireo firenena efa tao amin’ny tany Kanana, izay ho lasan’ny taranak’i Abrama, ny Kenizita, tamin’ny andron’i Abrama. (Ge 15:18, 19) Tsy azo inoana àry hoe taranak’i Esao ny Kenizita, satria mbola tsy teraka akory i Esao tamin’izany.

2. Antsoina hoe “zanak’i Jefone Kenizita” i Kaleba. (No 32:12; Js 14:6, 14) Tsy Israelita angamba ny razamben’i Jefone, fa Kenizita (Ge 15:18, 19) nanambady vehivavy israelita ka niaraka tamin’ny taranak’i Jakoba (Israely). Azo inoana kokoa anefa fa loham-pianakaviana avy amin’ny fokon’i Joda antsoina hoe Kenaza no razamben’i Jefone (Kenaza koa no anaran’ny rahalahin’i Kaleba), ka nahatonga azy hantsoina hoe Kenizita.​—Js 15:17; Mpts 1:13; 1Ta 4:13.