Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kenkrea

Kenkrea

(Kenkreà).

Mitantara ny Asan’ny Apostoly 18:18 fa tamin’i Paoly tany Kenkrea dia nasainy nohetezana ny volony, satria nisy voady nataony. Toa nandeha sambo avy tao Kenkrea izy avy eo mba ho any Efesosy, niaraka tamin’i Prisila sy Akoila (t. 52). Niresaka momba ny “fiangonana any Kenkrea” i Paoly, tamin’izy nanoratra ho an’ny Romanina, efa-taona tatỳ aoriana. Mety ho i Foiby avy any Kenkrea no nitondra an’io taratasin’i Paoly io.​—Ro 16:1, 2.

Teo amin’ilay andilan-tany manamorona ny Hoala Sarônika, tokony ho 11 km tany atsinanan’i Korinto, no nisy an’i Kenkrea. Toby miaramila maromaro no teo anelanelan’ny tanànan’i Kenkrea sy Korinto. I Kenkrea no seranan’i Korinto, ho an’ireo sambo avy tany atsinanan’i Gresy. I Léchée kosa no seranany tany amin’ny ilany andrefan’ilay andilan-tany ho an’ireo sambo avy tany Italia sy avy tany andrefana. Trano rava sy rarivato tamin’ny fefiloha niaro ny morontsiraka sisa no eo akaikin’ny tanàna kelin’i Kekriès.